Madatopinfo

 Flash Info

« JOURNALISME SCIENTIFIQUE »: Vehivavy 22 ao anatin’ny tontolon’ny serasera no nahazo fiofanana

« JOURNALISME SCIENTIFIQUE »: Vehivavy 22 ao anatin’ny tontolon’ny serasera no nahazo fiofanana

« JOURNALISME SCIENTIFIQUE »: Vehivavy 22 ao anatin’ny tontolon’ny serasera no nahazo fiofanana
septembre 19
06:30 2020

Notanterahana teny Antanimena ny 17 sy 18 septambra ny atrikasa fanentanana sy fanofanana momba ny fanaovan-gazety siantifika ho an’ireo vehivavy mpanao gazety miisa 22 mpikambana ao amin’ny “Association des Femmes Journalistes de Madagascar” na AFJM. Tamin’ny alalan’ny tetikasa antsoina hoe « Ny adidintsika » ao amin’ny PAGOF no nanatanterahana izany, niaraha-niasa tamin’ny Agence Française de Coopération Média (CFI) sy ny Agence Française de l’Experise Technique. Ny AFD na Agence Française de Développement kosa no nanohana ara-bola izany. « Tsy mora ny fifehezana ny « Journalisme scientifique » indrindra amin’izao fisian’ny Coronavirus izao. Sarotra ihany koa ny mahafehy ny teny siantifika ka mila lanjalanjaina tsara ny vaovao avoaka amin’izao vanim-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana izao », hoy ny Filohan’ny AFJM, Anny Andrianaivonirina.
Nanamafy izany i Aina Raharifidy, mpanao gazety vehivavy nisitraka ny fiofanana : « nanampy ahy ny fandraisana anjara tamin’ity fiofanana ity izay hahafahana mahafehy ny sehatra sahanina. Amin’izao hamehana izao mantsy, somary lalindalina kokoa ny fitrandrahana vaovao ka tsy maintsy mitandrina amin’ny vaovao avoaka ». Iray tamin’ireo nizara traikefa nandritra ity fiofanana ity moa ny Talen’ny Fampiroboroana ny Fahasalamana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dokotera Manitra Rakotoarivony.
Ny solontenan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina teny an-toerana, Talen’ny Kabinetra Haja Rasoanarivo izay nanambara tao anatin’ny lahateniny fa tanjona iombonana izany fampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety izany. Mila matihanina mantsy, hoy izy, ny mpisehatra amin’ity asa ity ahatafita ny hafatra tiana ampitaina amin’ny mpisitraka ny vaovao. Notolorana taratasy fanamarihana avokoa izy 22 mirahavavy taorian’io fiofanana nandritra ny roa andro io. Nanatrika ny fotoam-pamaranana ihany koa ny eo anivon’ny Holafitry ny Mpanao gazety (OJM) izay notarihin’ny Filohany Gérard Rakotonirina. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ity tetikasa « Ny adidintsika » ity ihany koa ny famoronana tranonkala www.femmesjournalistesmadagascar.com, ahafahan’ny mpanao gazety vehivavy mamoaka vaovao matihanina momba ny Covid-19. Antenaina araka izany fa hanatsara ny asa fanaovan-gazety ny fanatevenana traikefa tahaka izao, hanomezana vaovao mari-pototra sy voalanjalanja ho an’ny mpanaraka vaovao indrindra amin’izao krizy ara-pahasalamana lalovan’ny firenena manerantany izao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930