Madatopinfo

 Flash Info

MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA: Mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana miisa 1.7075 no hisitraka fiofanana

MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA: Mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana miisa 1.7075 no hisitraka fiofanana

MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA: Mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana miisa 1.7075 no hisitraka fiofanana
avril 25
19:30 2022

Tafiditra ao anatin’ny veliranon 13 an’ny Filoham-pirenena ny fisitrahan’ny malagasy rehetra fanabeazana tsara kalitao. Hanatrarana izany, manolotra fanofanana mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana ny fitondrana amin’ny alalan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tany Matsiatra Ambony ny faran’ny herinandro teo izany izay notarihan’ny Ministra Marie Michelle Sahondrarimalala. Nasongadiny nandritra ny fandraisam-pitenenany fa manana ny hasiny sy ny toerana manokana eo amin’ny fiaraha-monina no sady antoky ny fahaiza-miaina sy ny fanabeazana ny mpampianatra. Araka ny fantatra, miisa 1.075 no fitambaran’ny mpampianatra voafantina tamin’ilay fifaninanana nokarakarain’ny teo anivon’ity ministera ity tamin’ny volana 2021. Taranja 12 kosa no voakasik’izany: Anglais, Arts, EPS, Français, Histoire-géographie, Informatique, Mathématiques, Malagasy, Physiques collège, Physiques lycée, SES ary SVT. Ireo mpampianatra ireo moa dia hanaraka fiofanana mandritra ny iray volana izay mitotaly 142 ora raha manohy 20 andro kosa ny taranja SES. Mahakasika ny vontoatim-pampianarana dimy moa ny fanofanana: « Fonction enseignante, pédagogie générale, dimensions psychologiques de l’apprentissage, organisation de l’enseignement-apprentissage, didactique des disciplines ». Manerana ny CRINFP 28 misy eto Madagasikara ihany koa ny fiofanana ka any amin’ny ivon-toeram-panofanana manakaiky ny toeram-piasàny no hisitraka izany izy ireo: Ambanja: 15, Ambatondrazaka: 42, Ambositra: 52, Ambovombe: 55, Antalaha: 12, Antsirabe: 89, Antsiranana: 17, Antsohihy: 46, Arivonimamo: 60, Augagneur: 16, Belemboka: 29, Benasandratra: 78, Farafangana: 42, Fenoarivo Atsinanana: 43, Ihosy: 15, Maevatanana: 22, Mahabibo: 33, Mahanoro: 22, Mahazengy: 90, Maintirano: 23, Mananjary: 65, Mandritsara: 26, Manjakandriana: 64, Maroantsetra: 19, Moramanga: 28, Morondava: 29, Sambava: 25, Toliara: 18. Antenaina hitondra ainga vao ho an’ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara izao fanomezan-danja ny mpampianatra malagasy izao hahazoana vokatra mahafa-po.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930