Madatopinfo

 Flash Info

FITSABOANA NENTIM-PAHAZARANA ANKADIKELY ANTANETY ATSIMO : Taolana tapaka efa potika mikarepoka tafaverin’i Dédé mpanotra

FITSABOANA NENTIM-PAHAZARANA ANKADIKELY ANTANETY ATSIMO : Taolana tapaka efa potika mikarepoka tafaverin’i Dédé mpanotra

FITSABOANA NENTIM-PAHAZARANA ANKADIKELY ANTANETY ATSIMO : Taolana tapaka efa potika mikarepoka tafaverin’i Dédé mpanotra
mai 17
11:48 2021

Noho ny fanasoavana ny mpiara-belona, tahaka ireo karazana fitsaboana na tambavy nentim-paharazana, fianakaviana iray mpanotra no mijoro vavolombelona amin’ny fanomezan-kasina ny hanitra nentin-drazana. Tsy vitsy tamin’ireo dokotera no maniraka marary tapaka sy folaka, na ireo dokotera, profesora mihitsy aza no mamonjy an’i Dédé mianakavy izay mpanotra eny Ankadikely.
Amin’ny alalan’ny otra no amerenan’i Dédé sy ny zanany mpanotra ireo taolana tapaka sy potika. Nandritra ireo fidinana ifotony notanterahin’ny Mpanao gazetinay, ny volana mey teo, teny Ankadikely Antanety Atsimo no nahitana izany fitsaboana izany sy ny angom-baovao. “Tovolahy kely 11 taona avy eny Mahazo izay tapa-tanana ny 20 avrily teo tonga mamarana otra eto aminay amin’izao tapaky ny volana mey izao. Nipotsaka mihitsy ny taolan-tanany fa efa miverina tanteraka amin’ny laoniny.” Hoy i Hajanirina Marie Violette Raharivololona, izay andriambavilanitra tanora herotrerony mpanotra.
Maro ireo miantso azy ireo ho any amin’ny Faritra noho io vonjy aina tanterahiny io ary misy mahasahy miantoka sarandalana avo folo heny mihitsy aza noho ny lalam-pirenena izay mihidy fa noho izy mpanara-dalana dia miandry ny Faritra Analamanga hisokatra vao ihazo ireo Faritra ahitana tapataolana izay miantso azy tahaka ny any Sava, Diana, Antsinana.
Tsy vitsy ny avy amin’ireo Faritra hafa sy teratany vahiny ary mpitondra Fanjakana ambony koa miotra eny Ankadikely. Nandritran’ny fanadihadiana an’i Philippe Razafindrakoto na Dédé no nampintany vaovao ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana lalina fa mitsabo ny aretina rehetra tahaka ny vavony, aty izy sy ny zanany mianadahy, ankoatra ny tapaka, folaka, fanahenam-batana, ny latsaka “machoir” ary ny otra ankapobeny na « massage général ». Voalaza ihany koa fa afaka mandray amin’ny fotoana rehetra ary mahafoy tena mitsabo any antokatranon’ireo mila izany izy ireo.
Lova
Tarana-boanjo, foto-boanemba. Nolovain’i Dédé avy amin’ny dadabeny sy ny rainy ny otra. Ireo taranany ihany koa efa manatanteraka izany famonjena ny mpiara-monina amin’ny alalan’ny fanorana sy fanasitranana izany. « Fony vao 13 taona aho, efa nanotra, nanana ny lazany tamin’io fanorana io ny raiko sy ny raibeko. »Hoy Dédé na Philippe Razafindrakoto, izay tany ampitan-dranomasina nitsabo teratany vahiny, noho io otra io ihany.
Tsy misy valaka amin’izany koa ireo zanak’i Dédé. « Teraka tato anaty fianakaviana mpanotra izahay. Vao 16 taona aho dia efa nanotra. Manatanteraka ny otra rehetra tahaka an’ireo ray niandohana izahay mianadahy ». Araka ny fampitam-baovaon’i Hajanirina Marie Violette Raharivololona, zanak’i Dédé mpanotra. Ny zanaka lahy, Philippe Andriamanmpisoa kosa dia voambara fa nanomboka teo amin’ny faha-15 taonany no niantsehatra tamin’io otra io ihany koa, efa mandray 30 taona izy izao.
Ra mandriaka
Voalazan’ity renimpianakaviana mpanotra ity hatrany fa ny fifehezana ny ra mandriaka aloha no tanterahina vao ny otra. « Mafy indrindra ny mahita ireo mihoson-dra vao avy niharan’ny lozam-pifamoivoizana tonga eto aminay. Tsy vitsy ireo entin’ny fianakavian’ny lasibatra ka tonga dia aty amin’ny mpanotra no mihazakazaka. Raha kely mora fehezina ny ra dia vitainay fa raha be loatra kosa dia entinay mihazo ny toeram-pitsaboana aloha vao miditra amin’ny otra. Ankoatra izay, fanasitranana no tanjona. Sorohina avy hatrany ny fihetsehimpo, tsy afaka mitsabo araka ny tena izy mantsy raha malaelo na diso mangoraka ireo marary. » Araka ny tafa nifanoavana tamin’i Hajanirina Marie Violette Raharivololona.
Hasarotapiaro
Tsikaritra ho nisy hasarotapiaro tamin’ny vadin’ireo mpanotra. Saingy noho ny fifampiresahana teo anivon’ny ankohonana dia niravona izany. Nanambara i Dede fa ny “massage general” dia miboridana tanteraka fa tsy mitanjaka ireo orina. Voatery mitanjaka mihitsy aza ireo sitranina tahaka ireo mipotsaka ny moja na fotope ary izay tsaboina hemoraida ka atody no hamerenana ny lava-diky izay mipotsaka toa izany. Amin’ireo mpanjifa otra mety ahitana sady taviny no volony tokoa. Noho io fifampiresahana sy fifampitokisana io anefa dia resy lahatra i Celine Raivomanana, vadin’i Dédé mpanotra fa mirindra sy milamina aoka izany ny tokatranon’izy ireo.
Raha sendra ahitana tranga tampoka tsy ampoizina ka mila otra, indrindra ihany koa mahatsiaro vizana ka hampody aina dia afaka mifandray mivantana amin’izy ireo. 033 18 243 39 na 034 18 595 88 (Dédé mpanotra) sy 033 67 033 04 na 034 18 888 84 ary tambazotran-tserasera facebook Harena Raharivololona (Violette, zanak’i Dédé). Afaka manotra sy mitsabo any an-tokatrano na aleha mivantana ihany koa amin’ny toeram-piasan’izy ireo, lot AT 60 III Ter, Antanety Atsimo, Ankadikely. Terminus zotra 163 no midina.
Voalaza moa fa maro amin’ireo dokotera no maniraka ny marary tapaka sy folaka ihazo eny Antanety atsimo; na ireo dokotera, profesora mihitsy aza no mamonjy an’i Dédé mianakavy izay mpanotra eny Ankadikely. Marihina fa tsy misy endrika dokam-barotra amin’ny fahasalamana izao vaovao izao fa mijanona ho fampafantarana ny mpiara-belona sao mba mahasoa azy ireo ihany, indrindra tsy hita izay ho raotina rehefa tratry ny tampoka tsy maha-lehilahy araka ny fitenenana.
La Rédaction

Articles similaires

juin 2021
L M M J V S D
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
282930