Madatopinfo

 Flash Info

TANA DESIGN WEEK ANDIANY VOALOHANY : Hampamiratra ny asa famoronona sy ny tontolon’ny zavakanto

TANA DESIGN WEEK ANDIANY VOALOHANY : Hampamiratra ny asa famoronona sy ny tontolon’ny zavakanto

TANA DESIGN WEEK ANDIANY VOALOHANY : Hampamiratra ny asa famoronona sy ny tontolon’ny zavakanto
mars 13
05:36 2022

Mendrika hasongadina ny sehatry ny hai-tao malagasy ahafahana mampivelatra ny harem-pamoronana sy ny kolontsaina eto an-toerana. Amin’ny alalan’ny « Tana design week » andiany voalohany iarahana amin’ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, hahazo tombony ireo mpahai-tao sy mpamorona malagasy. Hetsika ara-javakanto izay tanterahana eny amin’ny Gara Soarano mandritra 9 andro, manomboka ny zoma 11 martsa ka hatramin’ny sabotsy 19 hoavy izao. Lohahevitra noraisina mandritra izany ny hoe : « Indray andro hono zava-manga arivo » izay niainga avy amin’ny maha renivohitry ny Nosy an’Antananarivo, ahitana ireo endrika arivo mampiavaka an’i Madagasikara ary tanàna ahafahana manorina zavatra maro sy ahafahana mampivoatra ny haitao sy ny taranja samihafa. « Tanjon’ity hetsika ity ny hanomezan-kasina ny mpanao asa tanana ary tsy hivarotra ny vokatra velively akory no andrasana ao anatin’izany fa ny fanehoana an’ny mpitsidika ny kalitao sy ny faharetan’ny asa », hoy i Domi Sanji, mpamorona sady mpikarakara ny TDW. Iray amin’ireo mpandray anjara mandritra ity Tana design week andiany voalohany ity ny ekipan’i Richianny Ratovo. Nampitondrainy ny anarana « Andao » ny sangan’asany, manodidina 2 herinandro kosa no faharetan’ny asa namolavolana ilay seza hafakely miendrika sahafa na « canapé circulaire ». Miisa 12 izy ireo niara-nifandrimbona tamin’izany ary niompana tamin’ny vy sy hoditra no akora nampiasaina. Tsy mora tokoa araka izany vao tonga amin’ny asam-pamorononana tsara kalitao, mateza sy mahafinaritra ary maodely tsy fahita iray. Manginy fotsiny ny fotoana lany sy ny fiaraha-misalahy amin’ny fanatanterahana azy ireny.

Fandaharam-potoana

Ny harivan’ny zoma 11 martsa lasa teo no fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika TDW, notronina manam-pahefana sy olo-manan-kaja maro izay notarihan’ny ministry ny Asa tanana sy ny Hai-tao, Sophie Ratsiraka sady mpiahy ity hetsika ity. Nitohy tamin’ny latabatra boribory izay niarahana tamin’i Domi Sanji sy Imke Plinta ny sabotsy. Nisokatra nanomboka tamin’ny 11 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva ny fampirantiana ny 13 martsa. Ankoatra ny fitsidihana, misy hatrany ny famelabelaran-kevitra arahana lohahevitra mikasika ny « design » sy ny tontolony amin’ny ankapobeny ny alatsinainy hatramin’ny zoma 18 martsa. Ny tolakandron’ny sabotsy 19 martsa kosa no famaranana ny Tana design week. Manana andro maromaro araka izany ireo mpitsidika sy mpankafy kanto ny « design » ahafahana mitsidika sy mamantatra ity sehatra iray ity. Ny Tana design week rahateo dia fotoana iray natao hifaneraseran’ireo mpamorona sy mpanao zavakanto ary ireo liana amin’ny asa famorononana sy fanavaozana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930