Madatopinfo

 Flash Info

ASA FANAOVAN-GAZETY: Melohina ny fanosoram-potaka an’ny MadaTopInfo

ASA FANAOVAN-GAZETY: Melohina ny fanosoram-potaka an’ny MadaTopInfo

ASA FANAOVAN-GAZETY: Melohina ny fanosoram-potaka an’ny MadaTopInfo
août 18
09:55 2021

“Ny ekipan’ny gazety MadaTopInfo dia manambara an-karihary fa tsy nisy ary tsy misy ny vaovao izay lazaina fa apariaka amin’ity rohy ity (https://www.madatopinfo.com/?p=5346) ka mahasaringotra olona ambony amin’izao fotoana izao. Melohinay ny fanondroana ny fitaovan-tseraseranay ho namoaka io vaovao io izay foronina fotsiny izao . Afaka manamarina ny site ny rehetra, azo atao ihany koa ny manamarina ny fomba fanoratray sy ny endrika vaovao izay navoakanay fa tsy mbola nentina nanapotehina fiainan’olona ny haino aman-jerinay. Ireo izay mety voatonona dia noezahanay nakana ny heviny mandrakariva ho fiarovantenan’ilay voapanga (pluralisme et richesse d’informations). Tsy natao fitaovana politika hanindraindrana olona na hanapotehana olona ny gazetinay. Midika izany fa mpisoloky ny manao fitaovana an’ny MadaTopInfo fa namoaka io vaovao io izay tsy misy akory ny rohy lazaina fa ahitana azy ary vonona hifanatrika amin’ny fahefana mahefa izahay amin’izao lainga afafy mikasika ny MadaTopInfo izao, raha ilaina izany. “
Sary : Ny site mampiseho fa tsy mitombina ilay rohy (https://www.madatopinfo.com/?p=5346)
La Direction

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930