Madatopinfo

 Flash Info

SEKOLY TELMA: Hiampy 290 mahery ireo ankizy hisitraka ny fotodrafitrasa « préscolaire »

SEKOLY TELMA: Hiampy 290 mahery ireo ankizy hisitraka ny fotodrafitrasa « préscolaire »

SEKOLY TELMA: Hiampy 290 mahery ireo ankizy hisitraka ny fotodrafitrasa « préscolaire »
juin 17
06:30 2021

Fototra iray manamora ny fidiran’ny ankizy ao amin’ny kilasy taona voalohany (CP1) ny fandalovana amin’ny akany fibeazana na « préscolaire ». Ankehitriny, niampy 5 indray ny sekoly fanabeazana fototra (EPP) eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina nahazo sekoly « préscolaire » tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa Sekoly Telma an’ny Fondation Axian izay niaraha-niasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Ny EPP Antanimena II, Benasandratra, Ambodiafotsy, Ambohinaorina ary Soaniedanana no nahazo izany fotodrafitrasa vaovao izany. Notanterahina teny amin’ny EPP Antanimena II ny alarobia 16 Jona ny fitokanana ireo akany fibeazana miisa 5 ireo.

Ny lanonana dia natrehan’ny avy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazampirenena; ny Ben’ny Tanàna an’Antananarivo renivohitra, Naina Andriantsitohaina; ny Tale Mpanatanteraka eo anivon’ny Fondation Axian, Isabelle Salabert; ny Tale Jeneralin’ny Telma, ny Talen’ny fikambanana KOZAMA (Kolo Zaza Malagasy), ny solontenan’ny Fondation H ary ireo Talen-tsekoly 5 nahazo Akany fibeazana vaovao. Ankizy 2 hatramin’ny 5 taona miisa 290 mahery kosa no hisitraka ireo fotodrafitrasa tsara kalitao, manaraka ny fenitra takiana amin’ny fanabeazana eto amin’ny firenena ireo. Hatreto, efa EPP miisa 10 no nananganan’ny Fondation Axian Akany fibeazana. Raha ho an’ny EPP Antanimena II manokana kosa dia ahitana efitrano fianarana 2 izay ahafahan’ny kilasy 2 mianatra ka ny kilasy iray dia mahafeno ankizy 30. Raha atotaly izany dia mahatratra 120 ny mpianatra zakan’ireo fotodrafitrasa ireo.

Zava-dehibe ho an’ny Kaominina Ampitatafika ny fahazoana Akany fibeazana

Raha ny fanazavan’ny Ben’ny Tanàna an’ny Kaominina ambanivohitra Ampitatafika, Rado Ramparaoelina nandritra ny lanonam-panokanana ireo fotodrafitrasa ireo dia betsaka ny vahoaka sahirana misedra olana amin’ny fampidirana ny zanany an-tsekoly « préscolaire » eo anivon’ny Kaominina iadidiany noho izy ireny andoavam-bola eny amin’ireo sekoly tsy miankina.
k
« Ankehitriny kosa dia ho afa-pahasahiranana ny mponina satria mampiakatra ny mizàna ho an’ny vahoaka sahirana ny fisian’izao fotodrafitrasa izao mba ahafahan’ny ray amandreny mampiditra ny zanany amin’ny sekoly tsy andoavam-bola nefa manana endrika tsara », hoy hatrany ny Ben’ny Tanàna an’Ampitatafika. Ny fampianarana rahateo ihany koa moa dia isan’ireo fandaharan’asa lohalaharana ho azy.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930