Madatopinfo

 Flash Info

HAZAKAZAKA HO ENY IAVOLOHA : Kandida ho Filoham-pirenena i Lalaina Harilanto Ratsirahonana

HAZAKAZAKA HO ENY IAVOLOHA : Kandida ho Filoham-pirenena i Lalaina Harilanto Ratsirahonana

HAZAKAZAKA HO ENY IAVOLOHA : Kandida ho Filoham-pirenena i Lalaina Harilanto Ratsirahonana
août 24
17:58 2023

Niampy iray indray ireo kandida vonona hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny 9 novambra ho avy izao.Ny alatsinainy 14 Aogositra teo , nanambara i Lalaina Ratsirahonana, filohan’ny fikambanana « An’i Kristy » , zanaka faralahin’i Lala Norbert Ratsirahonana. Tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Auximad. Natolotry nyantoko » Fihavanantsika », antoko naorin-dRatsima James sy Rajakoba Daniel,izay manana soatoavina kristiana mandala ny fahamarinana sy ny fahatahorana an’ Andriamanitra ary ny fihavanana. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko, Rakotonirina Solonjatovo fa tanjona ny hanarenana ny firenena, latsaka anaty fahasahiranana sy fahantrana lalina vokatry ny krizy sosialy sy politika, nandritry ny 63 taona.  » Ilàna fahendrena sy fahamarinana ary tahotra an’Andriamanitra izany ka antony nisafidiananay an-dRatsirahonana Lalaina ho kandidà », hoy izy. Nambaran’ny kandidà kosa fa maro ireo resy lahatra sy miombon-kevitra amin’izy ireo amin’ny hiverenana sy hitodihan’ny firenena amin’Andriamanitra. « Hametraka fanjakana manana andraikitra hampanjaka ny rariny sy fahamarinana isika. Hitaona antsika hahatsapa sy hahatsiaro fa efa natolotr’Andriamanitra antsika ity Nosy ity », hoy izy. Ka vahoaka malagasy masi-mandidy, mametraka ny finoany amin’Andriamanitra no hiombonana Anisan’ny laharam-pahamehany ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana amin’ny lafiny rehetra. Raha sitrapon’Andriamanitra dia hanangana fanjakana manana andraikitra hanatratra tanjona telo lehibe. Malagasy mihavana amin’ andriamanitra Andriananahary, Malagasy mihavana amin’ ny samy Malagasy ary Malagasy mihavana amin’ny zava-boahary « Efa nahazo ny tso-dranony aho », hoy ny tenany manoloana ny fanontaniako mpetraka manoloana ny fifandraisan’izy sy ny rainy ary ny antoko AVI. Anisan’ny laharam-pahamehany ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana amin’ny lafiny rehetra.
Claude Eric Ravonjy

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031