Madatopinfo

 Flash Info

FILANKEVI-PITANTANANA OMDA SY NY MSK: Vaky ny ady eo amin’ny roa tonta

FILANKEVI-PITANTANANA OMDA SY NY MSK: Vaky ny ady eo amin’ny roa tonta

FILANKEVI-PITANTANANA OMDA SY NY MSK: Vaky ny ady eo amin’ny roa tonta
juillet 13
16:10 2022

Nanatanteraka fanambarana teny Faravohitra ny alarobia 13 jolay ireo mpikambana ao anatin’ny Filankevim-pitantanan’ny OMDA (Office Malagasy du Droit d’Auteur) niaraka tamin’ireo solontenan’ny sendikan’ny mpanakanto ao aminy. Nambaran’izy ireo fa misy ny tsy fanajana ny ragitra mifehy ny OMDA sy ny fanitsakitsahana ny hasin’ny mpanakanto sy ny mpamorona ary koa ny fanaovana jadona. « Isan’izany ny nanafoanana ny fivoriambe (A.G) izay tokony notanterahana ny 16 febroary 2022, fotoana hihaonana sy hanaovana tatitra isan-taona », hoy ny fanambarana. Ankoatra izay, nilaza ho tsy mbola nisitraka ny zony ny mpamorona nandritra izay enim-bolana izay, teo ihany koa ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny Ministra mpiahy sy ny orinasa Manoova izay tsy nahazoana ny hevitra tamin’ny A.G akory ary tsy nankatoavin’ny Filankevim-pitantanana. Voalaza ihany koa fa nalaina ny « base de données » ahitana ny mombamomban’ny mpamorona sy ny sanganasany izay tsy azo havoaka ao amin’ny OMDA. Manoloana izany, nambaran’mpikambana C.A sy ny sendikan’ny mpanakanto fa tsy mankasitraka sy tsy maniry ny ho eo ambany fiahian’ny Ministra Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy intsony izy ireo aty mitaky ny hanajanonana ny fifanarahana tamin’io orinasa voalaza io. « Aoka tsy hikitika sy hamatotra ny OMDA intsony ny MSK », hoy hatrany ny fanambarana. Raha ny fantatra moa, manodidina ny 8.000 no mpikambana ao amin’ny OMDA amin’izao fotoana izao. Andrasana araka izany ny tohin’izao fitakiana notanterahan’ny Filankevim-pitantanana, mpamorona sy mpanakanto ireo.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031