Madatopinfo

 Flash Info

SIAE : Hotanterahana amin’ny volana Jona ho avy izao ny andiany faharoa

SIAE : Hotanterahana amin’ny volana Jona ho avy izao ny andiany faharoa

SIAE : Hotanterahana amin’ny volana Jona ho avy izao ny andiany faharoa
mars 21
18:00 2023

Isan’ny niteraka fikorontanana ara-toekarena teto amin’ny ny fandalovan’ny valanaretina covid-19 nandritra ny 3 taona mahery, sy ny adin’i Ukraine sy Rosia izay nampidangana ny vidin’entana, ary eo ihany koa ny olana ara-tontolo iainana toy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ahafahana mivoaka amin’ireo olana ireo, nikarakara hetsika antsoina hoe : « Salon International des Acteurs Economiques » na SIAE ny Riano Agency. Miditra amin’ny andiany faharo ny SIAE amin’ity taona ity raha tamin’ny volana Oktobra 2022 kosa ny andiany voalohany. Araka ny fampahafantarana teny Antanimena ny alatsinainy 20 martsa lasa teo, hotanterahana eny amin’ny CCI Ivato ny SIAE 2023 ny 1 ka hatramin’ny 4 Jona ho avy izao.
« Tanjona ny hampiroborobo ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra ara-toekarena rehetra toy ny indostria, banky, ny angovo azo havaozina, ny lamba sy ny maro hafa », hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny SIAE, Holy Norohariliva Rakotomalala. Ahitana varotra fampirantiana, valan-dresaka sy atrikasa arahina lohahevitra mifandraika amin’ny toekarena mandritra ireo 4 andro ireo. Isan’ny mampiavaka ity « Salon International des Acteurs Economiques » andiany faharoa ity ihany koa ny firafitry ny tranoevan’ireo mpandray anjara an-jatony. Amin’ity taona ity, azon’ny rehetra arahina amin’ny alalan’ny serasera ampitain-davitra ny famelabelaran-kevitra hiseho amin’ny SIAE. « Zava-baovao amin’ity ihany koa ny fisian’ny fifaninanana ara-pandraharahana izay handraisan’ireo mpandray anjara SIAE, ahafahana mampisondrotra sy miditra amin’ny sehatra ambony kokoa hatrany », hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Orinasa mpandray anjara 3 no hahazo loka sy fanomezana aorian’ny fifantenana, izay tranoeva mendrika indrindra ny iray ary ny roa ambiny kosa izay hitondra avo ny fanantenan’i Afrika.
Fotoana iray hihaonan’ireo mpisehatra ara-ekonomika na miankina amin’ny fanjakana na tsia, voasokajy ao avokoa na ny orinasa madinika, salantsalany sy lehibe araka izany ity hetsika iraisampirenena ara-toekarena ity.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930