Madatopinfo

 Flash Info

TSENABEN’NY SOKOLA ANDIANY FAHA EFATRA: Mpandray anjara matihanina 30 no nandray anjara

TSENABEN’NY SOKOLA ANDIANY FAHA EFATRA: Mpandray anjara matihanina 30 no nandray anjara

TSENABEN’NY SOKOLA ANDIANY FAHA EFATRA: Mpandray anjara matihanina 30 no nandray anjara
avril 11
06:30 2022

Na dia teo aza ny krizy iraisampirenena nitranga izay nampitaraina ireo mpandraharaha ara-barotra malagasy ka tsy nahafahan’izy ireo nihetsika nandritra ny fihibohana sy ny tsy fisokafan’ny sisintany noho ny valanaretina Coronavirus, miezaka manarina izany izy ireo hampiroboroboana ny varotra na anatiny na ivelany. Raha ho an’ny sehatry ny kakao sy ny sokola manokana, isan’ny paikady entin’ny Wednesday Morning Group (WMG) hampivelarana io sehatra io sy hanasongadinana ny vokatra vita malagasy ny hetsika varotra fampirantiana izay nokarakarain’izy ireo niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka aminy, nampitondraina ny anarana hoe: « Salon du chocolat et de la gourmandise ». Tetsy amin’ny Carlton Anosy no nanatanterahana ny andiany faha efatra tamin’izany ny sabotsy 9 aprily lasa teo izay nandraisan’ireo mpandray anjara matihanina manodidina ny 30. Nahitana ireo vokatra isan-karazany momba ny sokola sy ny tontolony nandritra ny hetsika, amin’ny endriny sy tsiro isan-karazany.

Nahasarika mpitsidika maro ity andiany faha efatra tamin’ny tsenaben’ny sokoka ity, na malagasy izany na ihany koa teratany vahiny. Ankoatra ny varotra fampirantiana, nahitana fampianarana sakafo vita tamin’ny sokola, fanentanana sy fanandraman-tsiro ihany koa tao an-toerana. « Tanjona ny hampahafantarana ny olona ny lanjan’ny kalitaon’ny sokola eto Madagasikara izay tsy mena-mitaha amin’ny any amin’ny firenen-kafa mihitsy ary afaka mifaninana amin’ny sehatra iraisampirrenena. Hita taratra ihany koa ny fankafizan’ny olona ny vokatra eto amintsika noho ny fisian’ireo tranom-barotra malagasy any ivelany toa ny ao Parisy », hoy ny Filohan’ny fikambanana WMG, Solange Chapuis Ramamonjisoa. Araka ny fantatra, hanohanana ny olona sahirana hampivoarana ny fari-piainan’izy ireo ny vola azo tamin’ny alalan’ny « Salon du chocolat et de la gourmandise » ity. Tsy vao voalohany moa ny Wednesday Morning Group no nanao hetsika fanohanana tahaka izao fa efa saika misy hatrany izany isan-taona.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930