Madatopinfo

 Flash Info

RANDRANA SENDIKALY: Nanatanteraka diabe ho fanamarihana ny 8 marsa

RANDRANA SENDIKALY: Nanatanteraka diabe ho fanamarihana ny 8 marsa

RANDRANA SENDIKALY: Nanatanteraka diabe ho fanamarihana ny 8 marsa
mars 09
15:32 2021

Samy nanana ny fomba nanamarihany ny 8 marsa, andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy ny sampandraharaha, ny fikambanana isan-tsokajiny teto amintsika. Raha ho an’ny Randrana Sendikaly manokana, niavaka ny fanamarihana izany ny alatsinainy teo. Nifamotoana ireo mpikambana vehivavy ao anatin’io fikambanana io ary nanatanteraka hetsika lehibe tamin’ny alalan’ny diabe na ny « sono mobile ». Nanomboka teo amin’ny Foiben-toerany 67 Ha izany ny maraina, avy eo nihazo an’Ankadimbahoaka, namakivaky teny Tanjombato ary nifarana tao amin’ny Fasan-karana. Araka ny fantatra, nahazo alalana ara-dalàna teny anivon’ny Prefektioran’ny tanan’Antananarivo ity hetsika ity. « Atsaharo ny herisetra atao amin’ny vehivavy », io kosa no lohahevitra nosafidian’ny Randrana Sendikaly nandritra izany. « Tanjona lavitra ezaka ny mba hiainan’ny vehivavy amin-kalalahana amin’ ny zo maha olombelona azy, ary koa mba ho ren’ny fanjakana ny antso ataon’ny Randrana Sendikaly amin’ny tokony haovana ny sonia ny Convention 190 momba ny fanafoanana ny herisetra atao eny amin’ny toeram-piasana indrindra ny vehivavy », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny USAM Randrana Sendikaly, Mbola Nomena. Tsiahivina moa fa ny Randrana Sendikaly dia nahazo ny « Premier prix 2020 – Défenseur de Droit de l’Homme » avy amin’ny Firenena Mikambana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930