Madatopinfo

 Flash Info

SALON DE L’AUTO 2022 : Hotanterahana eny amin’ny CCI Ivato ny andiany faha-13

SALON DE L’AUTO 2022 : Hotanterahana eny amin’ny CCI Ivato ny andiany faha-13

SALON DE L’AUTO 2022 : Hotanterahana eny amin’ny CCI Ivato ny andiany faha-13
août 29
07:05 2022

Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay natrehan’ny Ministry ny Fitaterana, Rolland Ranjatoelina ny zoma lasa teo teny Ambodivona ny hetsika goavana izay karakarain’ny GCMA na Groupement des Concessionnaires de Madagascar mitondra ny anarana hoe : « Salon de l’auto ». Eny amin’ny CCI Ivato no hanatanterahana ny andiany faha-13 amin’izany hetsika izany ny alakamisy 29 septambra ka hatramin’ny alahady 2 oktobra hoavy izao raha efa tamin’ny 3 taona lasa ny andiany teo aloha. Hifamotoana mandritra ireo fotoana ireo araka izany ny mpisehatra matihanina momba ny karazana fiarakodia, ny moto, ny kojakoja ilaina isan-karazany, ny banky sy ny trano fiantohana, eo ihany koa ny orinasa mpaninjara solika sy ny maro hafa. Araka ny nambaran’ny mpikarakara hatrany, ankoatra ny tontolon’ny fiara, hisy ihany koa fanentanana hatolotr’ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka ho an’ireo mpitsidika mandritra ny « Salon de l’auto 2022 » isan’izany ny fisarihana goavana iarahana amin’ny Telma Madagascar izay mety hahazoana fiara mitentina 60 tapitrisa ariary. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa maherin’ny 70 ireo marika fiarakodia hita eny amin’ny CCI Ivato amin’izany, manodidina ny 15 kosa ny marika moto, hita ao anatin’izany koa ny karazana fiara fitaterana ary tsy latsa-danja amin’izany ny fiara vaventy sy fiara manokana fampiasa amin’ny asa vaventy.

Sary: Salon de l’auto Madagascar

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930