Madatopinfo

 Flash Info

FANODIKODINAM-BOLA TAO AMIN’NY ORINASANA TERATANY INDIANA TAO NOSY BE: Niharan’ny sazy avy hatrany ilay lehilahy nivadi-pitokisana

FANODIKODINAM-BOLA TAO AMIN’NY ORINASANA TERATANY INDIANA TAO NOSY BE: Niharan’ny sazy avy hatrany ilay lehilahy nivadi-pitokisana

FANODIKODINAM-BOLA TAO AMIN’NY ORINASANA TERATANY INDIANA TAO NOSY BE: Niharan’ny sazy avy hatrany ilay lehilahy nivadi-pitokisana
décembre 24
07:00 2020

Notanterahana ny alatsinainy 21 desambra lasa teo teny amin’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) ny raharaha fanodikodinam-bola sy fananan’ireo teratany indiana mpampiasa vola ao amin’ny orinasa Pearls Tourism Limited sy ny Pearls Tourism Malagasy. « Taorian’ny famoahana ny didim-pitsarana izay nivoaka tamin’io andro io ihany dia voaheloka higadra 2 taona an-tranomaizina sazy mihatra sy didy famonjana avy hatrany ny lehilahy iray antsoina hoe Marson Rafalarivo », hoy ny Avocat à la Cour Maître Brichard Saotsoa, mpisolovava ireo orinasa roa ireo nandritra ny fanambarana nataony teto Antananarivo ny talata 22 desambra lasa teo.. Handoa lamandy mitentina 50 tapitrisa ariary sy handoa onitra 2 miliara ariary amin’ireo orinasa voalaza anarana etsy ambony ihany koa i Marson R. araka ny didim-pitsarana hatrany. Tonga nanatrika ny fitsarana teny amin’ny PAC moa ny solontenan’ny orinasa Pearls Tourism Limited sy ny Pearls Tourism Malagasy, Dhaliwal Harnam Singh.

Fivadiam-pitokisana

Tsiahivina fa tamin’ny volana jona 2015 no notendren’ireo teratany indiana tompona orinasa ao Dzamandzar Nosy Be hisahana ny fikarakarana ny Golf tao an-toerana ireo i Marson Rafalarivo. Noho ny fifampitokisana teo amin’ity roa tonta, nomena alalana manokana i Marson R, hiandraikitra ny kaontim-bola eny amin’ny banky izay misoratra amin’ny anaran’ny orinasa i Marson R. ny 23 desambra 2015. « Nanomboka teo anefa dia tsy nanome tatitra ara-bola mihitsy i Marson R. na dia efa nisy aza ny taratasy sy mailaka nisesisesy nalefa taminy ka izay no nahatonga izao fametraham-pitoriana izao », hoy hatrany ny mpisolovava. Manoloana ny didim-pitsarana izay nivoaka moa dia nanambara ireto mpampiasa vola vahiny ireto fa afa-po tamin’izany. Na dia teo aza izany disadisa izany, ny orinasa Pearls Tourism Limited sy ny Pearls Tourism Malagasy ihany koa dia nilaza ny fahavononany hanohy hatrany ny fampiasam-bola eto Madagasikara.

R.S.M

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930