Madatopinfo

 Flash Info

POESAM 2020: Hisolontena an’i Madagasikara any ivelany izay 3 voalohany

POESAM 2020: Hisolontena an’i Madagasikara any ivelany izay 3 voalohany

POESAM 2020: Hisolontena an’i Madagasikara any ivelany izay 3 voalohany
septembre 08
08:30 2020

Ny alakamisy 10 Septambra ho avy izao no hiatrika ny dingana famaranana manoloana ny mpitsara ireo mpifaninana 10 amin’ny Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et au Moyen-Orient na ny POESAM andiany faha-10. HealthIA, CREDIT CARAT, eDREAM, Mapwess, e-rohy, PROD ARTH MADA, E-TSABO, Ando Share, NUMAD, EN2ROUES/MOBILITY. Ny POESAM moa dia fifaninana mamorona tetikasa, hisy araka izany ny fifanintsanana isaky ny firenena. Raha ny eto amintsika manokana, ny 3 voalohany amin’ireo mpifaninana 10 ireo no hitondra ny anaran’i Madagasikara ary handray anjara eo anivon’ny POESAM iraisam-pirenena ny volana Oktobra na Novambra 2020.
Raha tsiahivina, nanomboka ny volana Martsa lasa teo ny fisoratana anarana tamin’ny fifaninana ary 10 Jona hatramin’ny 31 Aogositra lasa teo kosa ny fifanintsanana isaky ny firenena. Isan-taona ny POESAM dia manome valisoa ireo tetikasa ara-teknolojia tsara indrindra misy fiatraikany tsara eo anivon’ny Afrika sy Moyen Orient. Dingana roa no mikarakara ny fifaninanana: voalohany, fifaninanana nasionaly manerana ny firenena 17; avy eo ny mpitsara iraisam-pirenena no manendry ireo mpandresy amin’ny « Grand Prix ».
Hiavaka tokoa ny loka raha ny amin’ity andiany faha-10 ity satria sady hanamarihana ny tsingerintaona faha-10 nisian’ny POESAM. Raha ny fanazavana voaray, hanolotra valisoa maro be ny Orange toy ny loka iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy mitentina 20.000 euro sy ny fanomezana manokana mitentina 10.000 euro ho an’ity andiany ity. Raha atambatra izany, miisa 5 no no atolotry ny mpitsara ny « Grand Prix international » mandritra izany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930