Madatopinfo

 Flash Info
  • FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena Tanjon’ny orinasa Malagasy M.A.MA (Mutuelle d’Assurance MAlagasy) ny hametrahana fitokisana eo amin’ny samy mpikambana tsirairay ao anatin’ny Fikambanam-piantohana ho amin’ny fitantanana mahomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena, raha...
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...
  • Manasa e-SAKAFO 038.33.633.77 VARY SY LAOKA NAHANDRO GASY Sakafo vaovao, madio, tsy misy karbonetra Sur place, emporter, livraison SAKAFO ATOANDRO Zaimaika 26,36 Analakely SAKAFO HARIVA Rond point Andravoahangy...

FITOMBOAN’NY CORONAVIRUS ANTANANARIVO : «Efa azo antoka fa ho resy matoa novahan’ny mpitondra .»Hoy ny mpampianatra mpikaroka Christophe Angelo Rahajanirina

FITOMBOAN’NY CORONAVIRUS ANTANANARIVO : «Efa azo antoka fa ho resy matoa novahan’ny mpitondra .»Hoy ny mpampianatra mpikaroka Christophe Angelo Rahajanirina

FITOMBOAN’NY CORONAVIRUS  ANTANANARIVO : «Efa azo antoka fa ho resy matoa novahan’ny mpitondra .»Hoy ny mpampianatra mpikaroka Christophe Angelo Rahajanirina
juin 02
08:59 2020

«Matoa efa vahan’ny fitondram-panjakana izay mijoro tsikelikely efa hatramin’ny 3 ora tolakandro ny fotoam-piasana eto Andrenivohitra, efa azony antoka fa ho voafehiny ny valan’areti-mandoza coronavirus.” Io no fanambaran’ny mpampianatra mpikaroka sady mpikaroka mpampianatra Christophe Angelo Rahajanirina, nandritra ny tafa manokana tamin’ny mpanao gazetinay. Nanohy ny heviny ity mpampianatra ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety ary ny fitantanan’olona amina sekoly ambaratonga ambony maro ity fa ny Filoha Andry Nirina Rajoelina mihitsy no efa nilaza hatrany amboalohany fa efa vonona hifehy ny tsimokaretina ny Fanjakana.
Misy antony matoa ny serasera ofisialy toa ireny, raha tsy ilaza afatsy ny vaovao ny alahady 31 mey alina farany teo, no sahy milaza ny Filoha ho an’Antananarivo fa afaka mihitatra ny ora fiasana isan’andro. Raha ny mpitondra mantsy, hoy hatrany ity mpampianatra Management ity, no milaza toy ireny dia efa hafatra maro ankoatran’iny no tiany ho lazaina, anisan’izany io fifehezana ny aretina io na dia mitombo aza ny toerana ahitana ireo tranga eto Antananarivo. Ny olana mipetraka amin’ny serasera politika mantsy dia ny lainga sy ny fitaka makiavelika ka mitaky andro maro hanamarinana izany fanambarana izany raha tena mitombona tokoa fa voafehy.
Nanjavona ny fanampiana ara-tsosialy
Manahy ity mpampianatra haino aman-jery ity fa noho ny olana ara-pizarana no nahatonga ny Filoha hampitombo ny ora fiasana ho amin’ny fitadiavana. Nahiana mantsy ny fipoahana ara-tsosialy raha mbola hihiboka tanteraka noho ny fitomboan’ny tranga maro tato ato nefa ny fiahiana tahaka ny tsena mora, ny vary sy menaka mora ary ny vatsy tsinjo, ny tosika fameno tsy re tsaika intsony nandritra ny kabary farany, na dia ho an’ny Toamasina izay anaty fepetra mihahentitra aza. Mahagaga ihany koa fa ny resaka rova izay familiana ny saim-bahoaka no lasa ifantohan’ny ady hevitra tato ato kanefa ny tontolon’ny coronavirus tahaka ny Fanajakana anaty fahamehana ara-pahasalamana, ny fitombon’ny marary sy maty, ny CVO, ny tsindrona no lasa resaka anjorom-bala.
Amin’izao ririnina mamparomotra ny coronavirus izao, ny ekipan’ny gazety dia manentana ny rehetra hatrany hanohy ny fisorohana ny valanaretina covid19 tahaka ny fanaovana aro vava sy orona, ny fanasana tanana matetika, ny fiakanjoana fitafiana mafana, fisotroana rano mahamay, fanaovana gararaka amin’ny ranon-tsira na vinaingitra, evoka, ….izay nahasoa ireo teratany Malagasy any ivelany. Entanina koa ny rehetra hanaraka ny fepetra ara-pahasalamana izay atoron’ny fitondrana ombieny ombieny. Lahatokana ny aina!
La Rédaction

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930