Madatopinfo

 Flash Info

FIFANINANANA IRAISAMPIRENENA MOMBA NY TENY FRANTSAY: Nahazo ny laharana fahatelo ny mpianatra nisolo tena an’i Madagasikara

FIFANINANANA IRAISAMPIRENENA MOMBA NY TENY FRANTSAY: Nahazo ny laharana fahatelo ny mpianatra nisolo tena an’i Madagasikara

FIFANINANANA IRAISAMPIRENENA MOMBA NY TENY FRANTSAY: Nahazo ny laharana fahatelo ny mpianatra nisolo tena an’i Madagasikara
juin 03
08:23 2022

Notontosaina ny alakamisy faha 02 jona 2022 teo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fizaràna ny loka ho an’ireo mpandresy tamin’ny fifaninanana iraisampirenena momba ny teny frantsay na ny « Olympiades internationales de la langue française 2021 ». Francia Rabarivony, mpianatry ny Lisea Ambohimanarina, izay isan’ireo mpifaninana nisolo tena an’i Madagasikara no nahazo ny nitàna ny laharana fahatelo teo amin’ny sokajy B2.
Tamin’ny alàlan’ny fifandraisan-davitra an-tambajotra no nanatanterahina ity fizaràna loka ity, ka nanotrona izany ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Patricia Ialitiana Robson, sy ny Talen’ny fampianarana ambaratonga faharoa. Samy naneho fisaorana izy ireo nandritra ny fandraisam-pitenena nataony noho ny fahatontosan’izao lalao izao ary nanambara fa zava-dehibe ho an’ny mpianatra malagasy ity fifaninanana « Olympiades internationales de la langue française » ity satria dia ankoatry ny maha kilalao azy dia manome lanja ny fifehezana ny teny frantsay, ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’ireo tanora avy amin’ny tany mampiasa sy miteny frantsay ihany koa izany.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031