Madatopinfo

 Flash Info

PASTERA MAILHOL: Nanatevin-daharana tamin’ny Fikaonandohan’ny antoko politika

PASTERA MAILHOL: Nanatevin-daharana tamin’ny Fikaonandohan’ny antoko politika

PASTERA MAILHOL: Nanatevin-daharana tamin’ny Fikaonandohan’ny antoko politika
septembre 18
09:58 2020

Notanterahana ny alakamisy lasa teo teny amin’ny Hotel Panorama Andrainarivo ny fikaonandohan’ny antoko politika sy ny Vovonan’ny Parlemantera. Maro ny antoko politika namaly ny fanasana nandritra io fotoana io, isan’izany ny antoko GFFM na Gideona Fanafahana ny Fahantrana eto Madagasikara izay tarihin’ny Filohany, Pastera Mailhol André Christian Dieu Donné.
Ny tenany izay nanambara nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety fa na avy any amin’ny mpanohitra ny manohana ny fitondrana dia mandray anjara hatrany ny antoko tarihany. Nanamafy ihany koa ity Filohan’ny GFFM ity fa mitarika mankany amin’ny savorovoro ny tsy filaminana sy tsy fanarahan-dalàna eto amin’ny firenena noho izany mila hodinihana mba hanjakan’ny fampandrosoana. “Raha minia tsy mitandrina ny mpitondra fanjakana dia hitombina ihany ny faminaniana mikasika ny fanongam-panjakana”, hoy hatrany I Pastera Mailhol.
Ity fikaonandoha ity moa dia noho ny fahitan’ireto mpandray anjara ireto ny tsy fanaraha-dalàna ataon’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao, eo ihany koa ny tsy fanajana ny Lalàmpanorenana miverimberina. Araka ny fehin-kevitra navoaka taorian’ny fikaonandoha dia manameloka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ireo mpizaika, tsy manaiky ny Vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana na ny CENI izay mijoro ankehitriny. Mitsipaka ny didim-panjakana laharana 2020 -1110 nivoaka tamin’ny 09 septambra 2020 mikasika ny fiantsoana ny mpifidy vaventy amin’ny 11 desambra 2020 hifidy ireo Loholon’i Madagasikara ihany koa izy ireo ary hanokatra fanadihadiana manokana mikasika ny raharaha « doublons » ao anatin’ny lisi-pifidianana. Andrasana araka izany ny tohin’izao hetsika izao sy ny fanapan-kevitry ny fitondram-panjakana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930