Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANANA CBM: Hanamafy ny fanohanana ny olona manana fahasembanana ato anatin’ny 5 taona ho avy

FIKAMBANANA CBM: Hanamafy ny fanohanana ny olona manana fahasembanana ato anatin’ny 5 taona ho avy

FIKAMBANANA CBM: Hanamafy ny fanohanana ny olona manana fahasembanana ato anatin’ny 5 taona ho avy
octobre 01
06:30 2020

Manodidina ny 40 taona izao no nisian’ny fikambanana iraisampirenena CBM (Oraganisation internationale chrétienne Christoffel Blindenmission) teto Madagasikara. Nandritra izay, tsy nitsaha-nikaro-bahaolana hatrany ny fikambanana hampiroboroana ny zon’ny olona manana fahasembanana eto amintsika. Fantatra mantsy fa mbola maro ireo sakana mihatra amin’ireny olona ireny amin’izao fotoana izao indrindra ny tsy fahafahan’izy ireo misitraka ny zony feno toy ny tolotr’asa, ny lafiny ara-pahasalamana sy ny fanabeazana. Eo ihany koa tsy fahampian’ny fikambanana iraisampirenena manohana ara-bola eny anivon’ireny Ministera isan-karazany ireny ka mahatonga ny olona manana fahasembanana mbola vesatra ho an’ny firenena. Noho izany indrindra no mahatonga ny CBM hanavao sy hanamafy hatrany ny fanohanana azy ireny ato anatin’ny 5 taona ho avy. Anisan’ny soson-kevitra entin’ity fikambanana iraisampirenena ity ny fanomezana tosika amin’ny alalan’ny fanabeazana mampiaty, ny fananan’asa sy ny fampiofanana arak’asa, ny haitaky na adisisika ary ny fampandrosoana mampiaty eny ifotony hanohanana ny fikambanana malagasy. Vahaolana ho an’ny fikambanana ihany koa ny tsy tokony hanamaivanana ny fahafahan’ny olona manana fahasembanana miditra eo amin’ny sehatry ny asa. « Mahatratra 7,5 isan-jato ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara raha ny tarehimarika hananan’ny CBM amin’izao fotoana izao. Farafahabetsany, ny 1,5 isan-jaton’izy ireo ihany anefa no tafiditra eo amin’ny sehatry ny asa, betsaka araka izany no mirona mankany amin’ny velon-tena toy ny fambolena noho ny fanilikiliana mahazo azy ireo », hoy ny Talen’ny fikambanana CBM eto Madagasikara, Lila Ratsifandrihamanana.

Raha ny fampahafantarana, mizara 5 mazava tsara ireo laharam-pahamehana hanatratrarana ny vinan’ny CBM: ny fanomezam-pitenenana sy ny fizakantenan’ny olona manana fahasembanana rehetra, ny fananganana vondrom-piarahamonina misy ifandraisany sy maharitra, ny hisitrahan’ny olona manana fahasembanana ny tolotr’asa ara-kalitao eny anivon’ny sehatr’asam-panjakana, ny fanampiana ny maha-olona sy ny fiarovana ny mponina voakasiky ny voina voajanahary na nataon’ny olombelona ary ny fanamafisana orina ny biraon’ny CBM eto Madagasikara. Fantatra izao fa tetikasa 15 no tohanan’ny CBM manerana ny faritra 8 eto Madagasikara ary hitombo 10 izany ao anatin’ilay drafitrasa vaovao. Ny CBM rahateo dia manaraka ny lalàna misy eto Madagasikara eo amin’ny fampiharana ny asany amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Ministera samy hafa.
Notanterahana ny alarobia 30 septambra teny amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano moa ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny drafitra stratejika fahatelo eo amin’ny firenana izay an’ny CBM ny taona 2020 hatramin’ny 2024. Nanatrika izany teny an-toerana ny solontenan’ny minisitera voakasik’izany (Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy, Fahasalamam-bahoaka, Fanabeazam-pirenena, Fanofanana Teknika sy arak’Asa, Raharaham-bahiny), ny Parlemanta, teo ihany koa ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana tarihin’ny filohan’ny sehatry ny federasionan’ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara na PFPH-MAD ary ireo mpisehatra sy fikambanana mpiara-miasa amin’ny CBM. Ity fikambanana iraisampirenena ity dia nanambara ny fahavononany hanohy hatrany ny fampiroboroboana ny zon’olombelona sy ny fampiatiana olona manana fahasembanana eto Madagasikara.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930