Madatopinfo

 Flash Info

VONDRON’NY MPAMPIASA SY MPAMPIASA: Tsy mitombona ny fitokonan’ny mpiasan’ny CNAPS

VONDRON’NY MPAMPIASA SY MPAMPIASA: Tsy mitombona ny fitokonan’ny mpiasan’ny CNAPS

VONDRON’NY MPAMPIASA SY MPAMPIASA: Tsy mitombona ny fitokonan’ny mpiasan’ny CNAPS
août 02
12:43 2023

Isan’ny mandray anjara feno amin’ny fandrotsahana vola ao amin’ny CNAPS ny Vondron’ny mpampiasa, manoloana ny fitokonana lavareny izay tanterahan’ireo mpiasan’ny CNAPS andro maromaro izay dia nanao fanambarana iraisana ny teo anivon’ny Groupement des Entreprises de Madagascar (GEM), ny CTM na Conférence des Travailleurs de Madagascar ary ny Fivondronan’ny Mpandraharaha malagasy (FivMpaMa). Ny talata 1 Aogositra no nanatanterahan’izy ireo ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben’ny GEM Ambohijatovo. « Fitakiana tsy manaraka ny lalàna misy eto Madagasikara io fitokonana io, ka noho izany tsy mitombona raha jerena ny vontoatiny sy ny fitrangany ny hanatanterahana izany grevy izany », hoy ny mpiandraikitra ny CTM, Tiana Andriamanana. Voalazany fa tsy manakana ny fitokonana akory izy ireo fa kosa mitaky ny fomba tsy maintsy arahain’ny mpiasa mitokona. Mahatsiaro voatohitohina ny mpandraharaha mpikambana CNAPS manoloana io tranga io. Nangataka ny handinihan’ireo mpiasa rehetra mitokona na tsia ny CTM satria betsaka no miandry ny fisokafan’ny CNAPS. Raha ny nambarany, misy amin’ireo mpanjifa mantsy no avy lavitra toy ny avy any Manjakandriana, tsy afaka mandray ny mpiasa ka miveri-maina izy ireo. Ny latsakemboka nefa tsy maintsy arotsaka tsy tapaka. « Mangataka ny hiverenan’ny mpiasa rehetra tsy misy hatak’andro sy fepetra izahay satria tsy manara-dalàna ny grevy. Manaraka izany, miantso ny Fitondram-panjakana ihany koa hampihatra avy hatrany ny Conférence Interafricaine de la Prévoyance Sociale na CPRES ahafahana manova ny fomba fitantanana eo anivon’ny CNAPS izay efa latsaka an-katerena toa izao », hoy ny Filohan’ny GEM, Thierry Rajaona. Andrasana hatreto ny tohin’ny raharaha CNAPS, sy ireo fepetra raisin’ny fitondrana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930