Madatopinfo

 Flash Info

FIFIDIANANA 2019 SY 2020 : Ankavitsiana ny kandida nanatanteraka ny tatitra ara-bola

FIFIDIANANA 2019 SY 2020 : Ankavitsiana ny kandida nanatanteraka ny tatitra ara-bola

FIFIDIANANA 2019 SY 2020 : Ankavitsiana ny kandida nanatanteraka ny tatitra ara-bola
décembre 28
15:30 2021

Notanterahana teny Anosy ny alatsinainy 27 desambra lasa teo ny tatitra ampahibemaso ny kaonty momba ny fifidianana Loholona tamin’ny taona 2020 sy Ben’ny tanàna ary Mpanolon-tsaina tamin’ny fifidianana 2019. Nampahafantarin’ny Vaomiera misahana ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola ny fiainana ara-politika na CCFVP nandritra ity tatitra fa tsy nisy nahatonga ny kaontiny avokoa ireo lisitra 14 tamin’ny kandida Loholona, iray tamin’ny lisitra Ben’ny Tanàna 6303 kosa no nahatonga izany raha toa ka 2 monja tamin’ireo 4339 mpirotsaka hofidiana ho mpanolo-tsaina eo anivon’ny kaominina. « Eo anelanelan’ny 0 ka hatramin’ny 65 isan-jato tamin’ireo fifidianana rehetra notanterahana ihany no nanatitra ny kaontiny ho araha-maso, izany no isan’ny lesoka goavana », hoy ny Filohan’ny CCFVP, Rado Milijaona. Manoloana izany, soson-kevitra atolotry ny Vaomiera ho an’ireo kandida sy ny mpitam-bolany ny fanajana ny lalàna velona, eo ihany koa ny fanokafana ny kaonty ao amin’ny banky ahafahana mahita ny vola miditra sy mivoaka mandritra ny fampielezan-kevitra, ny fananana ny boky mirakitra ny fitseham-bola rehetra ka tafiditra ao anatin’izany ny vola avy amin’ireo mpanohana ara-bola. Voakasik’izany avokoa moa ny lohalisitra sy ny mpiray lisitra rehetra. Soson-kevitra avy amin’izy ireo ihany koa ny tokony hanaovana taratasy fifanekena mikasika ny fampiasam-bola madio mandritra ny fifidianana ho fampiharana ny tany tan-dalàna. « Raha ho an’ny fanjakana sy ny mpamatsy vola kosa, dia miantefa amin’ny hametrahana ny lalàna mifehy ny fiatrehana ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana, ny fametrahana rindran-damina, ny hanamorana ny fanokafana ny kaonty ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra », hoy hatrany ny tatitra. Tanjona nametrahana ny Vaomiera mantsy ny ahafahana mampanjaka ny mangarahara ahafantarana ny vola mihetsika rehetra ho an’ny kandida indrindra mandritra ny fampielezan-kevitra, eo ihany koa ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny famotsiam-bola. Raha tsiahivina, ny volana Aogositra 2018 no nijoro ny CCFVP mpitsirika ny kaontin’ny mpilatsaka hofidiana, 3 taona tsy azo havaozina kosa no fe-potoam-piasan’ny mpikambana mandrafitra ny birao (3 Mpitsara ary ny 2 kosa Manamahay na Expert-comptable). Ministera 3 moa no mpiahy ny CCFVP, ny Ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana amin’ny maha-tompon’andraikitra misahana ny fifidianana azy, ny Ministeran’ny fitsarana amin’ny maha-mpanara-maso ny kaonty azy amin’ny alalan’ny Cour des Comptes (Fitsarana momba ny kaonty) ary ny Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola amin’ny maha mpisahana ny famatsiam-bola azy.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930