Madatopinfo

 Flash Info

ECPAT FRANCE ETO MADAGASIKARA : Mitohy ny ezaka fisorohana ny fanararaotana mamoafady

ECPAT FRANCE ETO MADAGASIKARA : Mitohy ny ezaka fisorohana ny fanararaotana mamoafady

ECPAT FRANCE ETO MADAGASIKARA : Mitohy ny ezaka fisorohana ny fanararaotana mamoafady
décembre 18
08:59 2023

Mihoatra ny 88 tapitrisa ny sary mamoafady miparitaka amin’ny tambazotra-tserasera maneran-tany raha ny atontan’isa voaray, raha ny atontan’isa faramparany ho an’i Madagasikara manokana, manodidina ny 79.000 izany. Sanantionana ankizy 1.500 tamina Faritra 6 teto Madagasikara no nanaovana fanadihadiana tamin’io fanararaotana mamoafady an’habaka io ka ny 47 isan-jaton’ny ankizy 15 ka hatramin’ny 17 taona dia vehivavy avokoa ary ny ankamaroan’izy ireo dia any amin’ny toerana mahasarika mpizahantany. Manoloana io, mbola lavitr’ezaka ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady an’habaka eto amintsika saingy tsy miraviravy tanana ny Ecpat France eto Madagasikara. Antom-pisian’ny Ecpat France mantsy ny fiarovana ny ankizy amin’ny fanararaotana mamoafady na ara-pananahana amin’ny alalan’ny haitaky na adisisika mba hanatsarana ny fomba fanapahankevitra manoloana ny fampiharana ny zon’ny ankizy, eo ihany koa ny fisorohana ny karazana heristra amin’ny alalan’ny fampiofanana ireo mpisehatra rehetra eny anivon’ny fiarahamonina, fametrahana fiaraha-miasa, ary ny fandraisana an-tanana. Ny ecpat France dia miara-miasa akaiky amin’ny sehatra ara-tsoroka ara-pitsarana.
Ny zoma lasa teo teny Anosy, nanatanteraka tatitra nandritra ny iraka nampanaovina azy tany Frantsa i Andraina Mahatanasoa, masoivohon’i Ecpat France Madagasikara tamin’ny alalan’ny Tetikasa Miralenta izay vatsian’ny Vondrona Erôpeana sy ny AFD (Agence Française de Développement) vola. Nijoro vavolombelona tamin’ny fampandraisana anjara ny ankizy malagasy tany an-toerana ny tenany ny 7 sy 8 desambra 2023. « Nitondra ny hetahetan’ny ankizy aho ho amin’ny fampanjariana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara. Nisy ihany koa ny fihaonana teo amin’ny Filoham-pirenena Frantsay, Emmanuel Macron nandritra ny dia tany Paris », araka ny fanazavan’i Andraina Mahatanasoa, tanora mpianatry ny lisea Mandaniresaka Antsirabe. Nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny faha-75 ny zon’olombelona ihany koa ity fihaonambe ity ka isan’ny voaresaka taminizany ny mikasika ireo mpiaro ny zo, ny zon’olombelona sy ny fandrosoana. Araka ny tatitra hatrany, isan’ny olana mahatonga ny zon’ny ankizy tsy voahaja ny lafiny fanabeazana sy ny fahantrana.
« Fanamby lehibe ho an’ny firenena ty ady amin’ny herisetra ara-pananahana ity ary tsy vitan’ny Ecpat irery izany fa mila ny fifarimbonan’ny herivelona rehetra », hoy ny Filohan’ny Ecpat France eto Madagasikara.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930