Madatopinfo

 Flash Info

MIHAVA TOUR-100 ANDRO : Ny fitsinjaram-pahefana ihany no mampandroso ny firenena

MIHAVA TOUR-100 ANDRO : Ny fitsinjaram-pahefana ihany no mampandroso ny firenena

MIHAVA TOUR-100 ANDRO : Ny fitsinjaram-pahefana ihany no mampandroso ny firenena
juillet 18
13:57 2023

« Betsaka loatra ny hirifirin’ny vahoaka, nefa tsy misy sehatra anehoany izany, soa fa teo izahay »,hoy i Jean Jacques Rabenirina, mpandrindra nasionalin’ny MIHAVA tour Nanatanteraka loabary an-dasy (symposium) teny Mandrimena Andoharanofotsy,ny Asabotsy 15 jolay teo, ny ekipan’ny “MIHAVA tour PRO Siteny” , notarihin’ny filohany, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny sy ireo mpiara-dia aminy. Fotoana ihany koa nihaonany tamin’ny solontena maherin’ ny 10 000, avy amin’ny faritany, faritra, distrika, kaominina, eny solontenam-pokontany aza, tonga nandray anjara. Taorian’ny 100 andro nanombohan’ny “MIHaino Antsika VAhoaka”ka nahavitana nitety distrika 16, ankoatra ny tany adilambato, izany hoe, lalana mihoatra ny 10 000 km, no nahatsapan’izy ireo fa tena latsaka an-katerena ny firenena. Ary ny tsy kely indrindra dia fotoana nametrahana ny vovonana politika sy ny rafi-pifidianana, ny vina ary ny tohin’ny hetsika. Tsy hijanona hatreo akory ny hetsika fa mbola hitohy ary nampanantenaina fa hatao isaky ny telo andro izany. “Milaza fa miraviravi-tanana ny vahoaka ary leo politika nefa ny politika dia ny fiainantsika ka tsy maintsy tohizana ny hetsika”, hoy ny mpandrindra nasionaly hatrany, Rabenirina Jean Jacques. “Fotoana izao, aza variana, Kihon-dalana lehibe lalovan’ny firenena izao hatrehantsika izao, miankina aminao ny hoavin’i Madagasikara… », hoy hatrany izy « Tsy tafavoakan’ny fitondrana amin’izao intsony ny baolina, Tsy hainy ny manavaka ny « décentralisation » sy ny « déconcentration »… Mahagaga fa tsy fantatr’izy ireo ny fitsinjaram-pahefana. Olom-boafidy no mitantana izany rafitra izany ary omena vola mahaleo tena izy ireo. Fahefana omena hatreny ifotony izany fa tsy vitan’ny fanorenana fotodrafitrasa… Tsy sarotra izany ka mandehana aloha mianatra », hoy ny filohan’ny “MIHAVA tour” Randrianasoloniaiko Siteny. Tsy ijerena tavan’olona ny fanavotana an’i Madagasikara Nanambara ny tomponandraikitra fa tsy mialon-jafy ny « PRO Siteny » fa rehefa Malagasy, tsara sitra-po, mahatsapa ny maharary ny vahoaka, na mbola tsy mitovy firehana aza dia misokatra ho azy ireo ny varavarana. Porofon’izany ny nilazana fa misy teknisianina niara-niasa tamin’ireo mpitondra nifandimby, nanomboka tamin’ny repoblika faharoa ka hatramin’izao fitondrana izao miara-miasa aminy . « Tsy ijerena tavan’olona ny fanavotana ny firenena sy ny fananganana an’i Madagasikara. Tsy maintsy mandray anjara avokoa ny rehetra », hoy izy. Ankoatry ny fitanisana ny olana sedrain’ny vahoaka sy ny tsy fahafehezan’ny fitondrana ny baolina dia nanolotra vahaolana koa izy amin’ny hanokafana ireo orinasa nakantona noho ny antony politika. Hifanarahana, hoy izy, ny fomba handoavan’ny orinasa ny vola, raha ananan’ny fanjakana vola izy. Ny vahoaka no jerena . Raha tsy misy finiavana moa ny tompony dia efa mahita olona hanao izany ny MIHAVA tour. Notsindriny fa anisan’ny tokony hojerena ary anisan’ny mitondra ny fampandrosoana ny fambolena sy ny toekarena manga. Tsy laharam-pahamehana ny fananganana manara-penitra, toy izany koa ny fanondranana henan’omby. Hita teny an-toerana ireo solontenan’antoko politika, toy ny avy amin’ny AVI, leader fanilo, vondrona panorama, ny filohan’ny HCDDED teo aloha,… Ankoatr’ireo depiote mpiara-dia aminy.
Claude Erick Ravonjy

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031