Madatopinfo

 Flash Info

MISS & MISTER MALAGASY EN FRANCE: Hiditra amin’ny asa sosialy aty Madagasikara amin’ity herinandro ity

MISS & MISTER MALAGASY EN FRANCE: Hiditra amin’ny asa sosialy aty Madagasikara amin’ity herinandro ity

MISS & MISTER MALAGASY EN FRANCE: Hiditra amin’ny asa sosialy aty Madagasikara amin’ity herinandro ity
mai 24
11:52 2022

Tamin’ny Novambra 2019 no nisy ny fifidianana farany tamin’ilay fifaninana antsoina hoe : « Miss & Mister Malagasy diaspora en France », ka nahavoafidy an’i Miss 2020 Nosy Razafintsalama sy Mister 2020 Rody Cassim. Noho ny krizy ara-pahasalamana maneran-tany, naato ny fifaninanana ary tsy afaka nihazo an’i Madagasikara ireo mpandresy raha tsy tamin’ity taona 2022 ity. Araka nampahafantarana nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Tana Hotel Antaninarenina, hanatanteraka asa sosialy eto an-toerana izy mianadahy ireo mandritra ity herinandro ity. « Hizara fitaovam-pianarana ho an’ny sekoly miisa 4 ny ekipan’ny Miss & Mister Malagasy en France, Ambositra, Fandriana, Ranomafana ary Manakara. Ankizy manodidina ny 350 kosa no hisitraka izany, fanampiana tahaka ny kitapo, kahie, penina sy ny maro hafa », hoy ny komity mpikarakara, Sam Ralantoarison. Tohin’ilay fandaharanasa « Tohan’aina » izay efa notanterahana tany aloha ihany moa ity. Nilaza ihany koa io tompon’andraikitra io fa miara-miasa amina orinasa maro izy ireo ka nahafahana nanatontosa izao tetikasa izao. Teo ihany koa ny hetsika fanangonam-bola samy hafa ary nahazoana 12.000.000 ariary. Tsiahivina fa efa nanatanteraka asa sosialy maro teto Madagasikara ny komity mpikarakara hatramin’izay taon amaro nijoroany izay, toy ny fizarana sakafo ho an’ny olona sahirana miisa 1.000 teny Andohatapenaka nandritra ny hamehana ara-pahasalamana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930