Madatopinfo

 Flash Info

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Nanolotra ny fanomezana andiany fahatelo teny amin’ny CCO Ivato

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Nanolotra ny fanomezana andiany fahatelo teny amin’ny CCO Ivato

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Nanolotra ny fanomezana andiany fahatelo teny amin’ny CCO Ivato
août 15
12:46 2020

Mitohy hatrany ny fandraisana andraikitra sy ny ezaka ataon’ny Orange Madagascar amin’ny ady amin’ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19 eto amintsika. Efa nitondra ny anjara birikiny tamin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana sy kojakoja maro teny amin’ny Foibem-pibaikoana momba ny Covid-19 Ivato (CCO) ny Orange Soidarité Madagascar ny 18 Aprily sy 16 Jona lasa teo. Ny alakamisy 13 Aogositra lasa teo kosa no natolotra teny amin’ny CCO Ivato ny andiany fahatelo sady famenon’ireo fanomezana teo aloha izay nahitana « visières de protection » mihoatra ny 2.000 isa novokarin’ny FabLab Solidaire Mamiratra sy tavoahangina « gel hydroalcoolique » mahatratra 21.000. Hotsinjaraina ho an’ireo Ivon-toeram-pitsaboana manaraka ireto moa ireo fanomezana avy amin’ny Orange Soidarité Madagascar ireo: eto amin’ny Faritra Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Antsinanana, Atsimo Andrefana, Anosy, Diana, Analanjirofo, Bongolava, Menabe, Sava, Sofia, Matsiatra Ambony ary Boeny. Tafiditra ao anatin’ny hisitraka izany ihany koa moa ny SOS Villages d’enfants sy ny Compassion Madagascar.
Tonga nanolotra izany teny an-toerana ny ekipan’ny Orange Madagascar izay notarihan’ny DGA sady Sekretera Jeneraliny, Benja Ralison sy ny Filohan’ny Orange Soidarité Madagascar, Josie Andriambeloma. Nandray izany kosa ny ministry ny fahasalamam-bahoaka, Ahmad Ahmad sy ny Mpandrindra eo anivon’ny CCO, Jeneraly Elack Andriankaja.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930