Madatopinfo

 Flash Info

FARITRA ANTSINANANA: Mahatratra 18% ireo mararin’ny drepanositozy

FARITRA ANTSINANANA: Mahatratra 18% ireo mararin’ny drepanositozy

FARITRA ANTSINANANA: Mahatratra 18% ireo mararin’ny drepanositozy
décembre 16
08:02 2020

Aretin’ny selamena na rà izay mitarika tsy fahatomombanana toy ny tsy fahampian-drà, fahatsetseman’ny lalandrà madinika amin’ny taova rehetra ka miteraka fanaintanana sy fahasimban’ny taova maromaro ny aretina tsy mifindra faingosela na drepanositozy. Mitarika fahafatesana anefa ny fihitaran’io aretina manaraka io raha toa ka tsy voatsabo.
Eto Madagasikara, mahatratra 10 isan-jato ny tahan’ny olona mifaingosela ary fantatra fa any amin’iny Faritra Atsimo Antsinanana sy Antsinanana iny dia efa tafiakatra 18,5%. Isan’ny olana mahatonga azy ireny tsy fahafantarana ny toe-tena noho ny tsy fisian’ny fitiliana, eo koa ny tsy fahampian’ny manam-pahaizana manokana amin’ny drepanositozy sy ny fahalafosan’ny fanafody ka tsy ahafahan’ireo marary misitraka fitsaboana ara-dalàna. Manoloana izany indrindra, dia nanatanteraka atrikasa fankatoavana ny paikady nasionaly ho an’ny ady atao amin’ny drepanositozy ireo mpisehatra amin’izany. Notanterahana teny Antaninarenina ny talata 15 desambra ny atrikasa ary ny lohahevitra dia ny hoe: « Faingosela na drepanositozy: voatily sy voaray an-tanana mialoha, antoky ny ho avy milamina ». Nametrahana ireo rindran-damina rehetra io atrikasa io ahafahan’ireo mifaingosela misitraka ny fitsaboana ara-dalàna. Araka ny nambaran’ny Tale ny ady amin’ny aretina tsy mifindra eo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, Dokotera Vincent Rakotoarison dia miara-misalahy ny Ministera mpiahy sy ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika rehetra amin’izany ahafahana mandray an-tanana ka tsy misy adino na olona iray mifaingosela aza tsy mahazo fitsaboana eto Madagasikara.

Mitan-tsoroka ny IECD

Ho an’ny Institut Européen de Coopération et Développement na IECD, efa an-taonany maro izy ireo no nanampy ny Ministera mpiahy sy ireo mpiara-miombon’antoka maro eto Madagasikara ahafahana miady amin’ny aretina faingosela. « Anjara biriky omen’ny IECD ao anatin’izany ny fanampiana ireo mpisehatra rehetra amin’ny fahampafantarana mahakasika ny faingosela eto Madagasikara indrindra any amin’ny Faritra Antsinanana », hoy ny Délégué Pays Madagascar Country Representative eo anivon’ny IECD, Manitra Rakotoarivelo. Ankoatra izay, manome fanofanana ireo mpitsabo sy dokotera amin’ny Faritra ihany koa ny IECD ahafahana mandray an-tanana sy manara-maso ireo mararin’ny drepanositozy ary manampy ny mpisehatra eo amin’ny lafiny fanaovana fitiliana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930