Madatopinfo

 Flash Info

ESTIIM’: Nandray fepetra manokana eo amin’ny lafiny fampianarana

ESTIIM’: Nandray fepetra manokana eo amin’ny lafiny fampianarana

ESTIIM’: Nandray fepetra manokana eo amin’ny lafiny fampianarana
juin 04
11:00 2020

Ao anatin’ny herinandro fahadimy amin’ny fahamehana ara-pahasalamana isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mbola tsy miverina an-dakilasy ny mpianatra eny anivon’ny oniversite raha ny eto Antananarivo no resahana, manoloana izany dia nandray fepetra manokana ny sekoly ambony tsy miankina ESTIIM’ ho fanajana ny toromarika sy ny lamina nomen’ny fitondram-panjakana. Mba hirindrana sy hitohizan’ny fampianarana araka ny tokony ho izy mantsy, dia nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra ao amin’ity sekoly ity fa ampitaina amin’ny alalan’ny mailaka ny lesona sy ny fanadinana ho an’ireo izay voakasika izany. Araka ny fampitam-baovao voaray, raha ho an’ireo mpianatra manohy ny fampianarana an-dakilasy no asian-teny dia efa nanomboka ny herinandron’ny 4 Mai lasa teo ny fitsinjarana ny lesona mandritra ny enim-bolana faharoa. Ho an’ny mpianatra manohy ny « formation intersaison » kosa indray dia fantatra fa nanomboka tamin’ny 4 Mai ny fampianarana ka tanterahana amin’ny alalan’ny fampitan-davitra aloha izany mandrapiverina amin’ny laoniny ny fisokafan’ny sekoly ambaratonga ambony eto amintsika.
Ankoatra izay moa, mbola misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay maniry ny hisafidy ny sokajy fampianarana ampitan-davitra na ny « Formation à distance » eo anivon’ny ESTIIM’ amin’ireto lalam-piofanana ireto: Droit ; Interprétariat-Diplomatie-Sciences politiques ; Tourisme-Hôtellerie-Environnement ; Administration-Management ary Commerce-Marketing. Misokatra ho an’ireo efa miasa na tsia ity sokajy ity, natao ho an’ny rehetra na Malagasy izany na teratany vahiny ary ahazoana ny mari-pahazaina Licence, Master 1 ary Master 2.
Ho an’ny mpianatra, misy hatrany ny fampitam-baovao alefan’ny tompon’andraikitry ny ESTIIM’ ao amin’ny tambajotran-tserasera « facebook » mikasika ny toromarika sy ny vaovao rehetra eo anivon’ny sekoly. Misokatra isan’andro manomboka amin’ny 8 hatramin’ny 12 ora kosa ny birao sady foibeny eny amin’ny 67 Ha ho an’ireo izay mila fanazavana misimisy kokoa.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031