Madatopinfo

 Flash Info

SECES SAMPANA ANTANANARIVO: Hiroso amin’ny fitokonana fanairana mandritra ny 72 ora

SECES SAMPANA ANTANANARIVO: Hiroso amin’ny fitokonana fanairana mandritra ny 72 ora

SECES SAMPANA ANTANANARIVO: Hiroso amin’ny fitokonana fanairana mandritra ny 72 ora
mai 19
06:05 2022

Tsy mbola nisy vahaolana mahafa-po momba ny fitakiana ny famoahana ny lalàna mikasika ny fizakan-tenan’ireo oniversite, toeram-pampianarana ambony sy ireo foibem-pikarohana nasionaly, manoloana izany nanapa-kevitra ny SECES Sampana Antananarivo fa hanatanteraka fivoriambe ny alarobia 18 mey lasa teo. Tapaka taorian’izany fa hiroso amin’ny fitokonana fanairana ny SECES Sampana Antananarivo mandritra ny 72 ora, manomboka ny alakamisy 18 mey ka hatramin’ny alatsinainy 23 mey hoavy izao izany. « Hitsahatra avokoa ny hetsika sy fampianarana eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo mandritra ireo. Hotanterahana ny herinandro ho avy izao amin’ny fivoriana manaraka kosa ny fandraisana fanapahan-kevitra na hamerina ny fampianarana na hiroso amin’ny fitokonana lavareny », hoy ny Filohan’ny SECES sampana Antananarivo, Sammy Grégoire Ravelonirina. Nambarany ihany koa fa hikaon-doha amin’ny Filankevitra ambony Miaro ny Demokrasia sy ny Tany tan-dalàna ary ny Zon’olombelona (HCDDED) izy ireo amin’ny famahana ny olana. Andrasana araka izany izay hotohin’ny hetsika aorian’ny fivorian’ny mpikambana SECES Sampana Antananarivo amin’io herinandro hoavy io.

Betto W.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031