Madatopinfo

 Flash Info

SANGANASAN-DRAMILY : Manodidina ny 46 no sary hampirantiana etsy amin’ny Hakanto Cotemporary

SANGANASAN-DRAMILY : Manodidina ny 46 no sary hampirantiana etsy amin’ny Hakanto Cotemporary

SANGANASAN-DRAMILY : Manodidina ny 46 no sary hampirantiana etsy amin’ny Hakanto Cotemporary
avril 29
06:30 2022

« Ramily ilay nanao ny maraina », io no lohahevitra nosafidiana mandritra ny fampirantiana sary izay tanterahana etsy amin’ny Hakanto Cotemporary, Alhambra Gallery Ankadimbahoaka rihana faharoa manomboka ny sabotsy 30 Aprily ka hatramin’ny 30 Jolay 2022 araka ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notanterahana teny an-toerana. Sanganasan’i Emile Rakotondrazaka, fantatra amin’ny anarana maha artista mpaka sary malaza hoe: « Ramily », notsongaina manokana tamin’ireo sary aman’arivony no haranty mandritra ireo fotoana ireo. Fampirantiana mandravina tamberina, fihetseham-po ary fanomezam-boninahitra an-dRamily mpaka sary no tiana avoitra ao anatin’izany. Tsiahivina fa teraka tamin’ny 25 septambra 1939 ity andrarezin’ny fakàna sary ity, tao anelanelan’ny taona 1970 ka hatramin’ny 1990 kosa no tena hita taratra ny lazany. Ny 26 martsa 2017 moa no nodimandry noho ny aretim-po nianjady taminy i Ramily. Na dia efa tsy eo intsony aza nefa ity kintan’ny fakàna sary malagasy ity, mbola velona ary hampahafantarina ny olona hatrany ny sanganasany aty aoriana amin’ny alalan’izao fampirantiana izao. « Isan’ny mampiavaka azy, ny filalaovany ny loko mainty sy fotsy teo amin’ny tontolon’ny sary ary mbola tsy nisy namidy ny sanganasan-dRamily hatramin’izay. Zava-dehibe aminy io asany io ary tena hankafiziny tokoa satria na amin’ny 12 alina aza izy indraindray dia mbola ao amin’ny toeram-piasany. Vao voalohany no nandray anjara fampirantiana goavana tahaka izao izahay taranak’i Ramily », hoy ny zanak’i Ramily, Hery Rakotondrazaka.

2 taona sy tapany no nanomanana ny hetsika ary zava-dehibe izao hetsika fampirantiana izao ahafantaran’ny olona fa nisy malagasy tena sangany sady reherehan’ny firenena tamin’izany fotoana izany, araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny taranany hatrany. Ankoatra ny sary, hita mandritra ity fampirantiana ity ihany koa ireo fitaovana nampiasain’ity kalaza ity tamin’izany izay mbola voatahiry sy ampiasaina avokoa. Marihana fa tsy vao ity no nisy fampirantiana tao amin’ny Hakanto Cotemporary, Alhambra Gallery Ankadimbahoaka fa efa maro ny hetsika izay notanterahana tao an-toerana toy ny « Beyond all you are mine », « Ny Fitiavanay, Our Love, Notre Amour ». Ny Hakanto Cotemporary rahateo dia manandratra ny zava-kanto amin’ny vanimpotoana ankehitriny sady manome lanja aman-kasiny ny sehatry ny kolontsaina ary mampiroborobo izany amin’ny fomba sy hetsika isan-karazany. Ity Ivontoerana ity moa dia tohanan’ny Fonds Yavarhoussen izay tarihan’ny Tale Jeneralin’ny Groupe Filatex eto Madagasikara, Hasnaine Yavarhoussen.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930