Madatopinfo

 Flash Info

TELMA MADAGASCAR: Feno 12 tapitrisa ireo mpampiasa azy manerana an’i Madagasikara

TELMA MADAGASCAR: Feno 12 tapitrisa ireo mpampiasa azy manerana an’i Madagasikara

TELMA MADAGASCAR: Feno 12 tapitrisa ireo mpampiasa azy manerana an’i Madagasikara
juillet 15
06:54 2023

Raha 10 tapitrisa tamin’ny volana Oktobra 2022 ny mpanjifa mampiasa ny laharana Telma manerana an’i Madagasikara, 9 volana aty aoriana kosa nitombo 2 tapitrisa. Ny alakamisy 13 Jolay, feno 12 tapitrisa ny mpanjifa Telma mampiasa 034 sy 038. Tsara vintana teo amin’izany faha-12 tapitrisa izany ny tovovavy avy any Fianarantsoa fa manovo fahalalana eto Antananarivo, i Rakotoarivelo Onjamihanta Lalaina Fabienne. Nanjifa « puce » teny amin’ny Shop Telma La City Ivandry ity ramatoakely ity. Nampanantsoina teny amin’ny Campus Telma Andraharo ny zoma lasa teo i Onjamihanta Lalaina Fabienne nampahafantarana azy fa izy no maha-12 tapitrisany. « Ny mpanijifa Telma 034 sy 038 rehetra dia manan-danja avokoa, ka te-hankasitraka azy ireo izahay amin’izany fahatrarana ny vina lehibe izany ary ity tovovavy tsara vintana ity no solontenan’ny mpampiasa ny tambabazotra hampifalianay amin’ny alalan’ny fanomezana avy amin’ny Telma sy ny tolotra MBalik », hoy i Riantsoa Rabefitia, tompon’andraikitra eo anivon’ny Telma Madagascar. Finday avolenta S prime iray, box 4G miampy data 50Go isam-bolana mandritra ny telo volana, kit Mbalik sy goodies maro samy hafa no fanomezana notolorana ity nitontonan’ny vintana ity. « Efa manana laharana 034 aho, fa kosa nanampy laharana 038 hanasarahana ny andavanandro sy ny sehatr’asa. Ankoatra izay, isan’ny nandrisika ahy nividy puce Telma fanindroany ihany koa noho ny fahatsaran’ny tambazotrany sy ny tolotra ao aminy », araka ny fanazavan’i Rakotoarivelo Onjamihanta Lalaina Fabienne nandritra ny fanolorana ny lokany teny Andraharo. Manome toky hatrany ny Telma Madagascar fa hanolotra ny tsara hatrany ho an’ny mpanjifany na eo amin’ny tolotra izany na ihany koa ny servisy. Tsiahivina moa fa mandrakotra mihoatra ny 96 isan-jato an’i Madagsikara ity Telma ity amin’izao fotoana izao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930