Madatopinfo

 Flash Info

RANDRANA SENDIKALY: Mitaky ny hijerena vahaolana haingana mikasika sidina an’habakabaka

RANDRANA SENDIKALY: Mitaky ny hijerena vahaolana haingana mikasika sidina an’habakabaka

RANDRANA SENDIKALY: Mitaky ny hijerena vahaolana haingana mikasika sidina an’habakabaka
juin 01
06:30 2021

Fahaverezan’asa, tsy fahampian’ny karama, ireo no isan’ny olana goavana mianjady amin’ireo mpiasa an’arivony eo amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka amin’izao fotoana izao. Eo anatrehan’izany dia « tokony misokatra ny lanitr’i Madagasikara ahafahana miverina tsikelikely amin’ny fampandrosoana », hoy ny Randrana Sendikaly manoloana ny Ministeraran’ny Fitaterana Anosy omaly. Isan’ny foto-kevitra aroson’ireo ho an’ny Ministra mpiahy sy ireo ambaratongam-pahefana ao aminy ny fanarenana ny Air Madagascar sy ny fijerena ny zon’ny mpiasa ao aminy. Nambaran’ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Sendika SVS Randrana Sendikaly, Barson Rakotomanga fa tena voakitikitika ny zon’ny mpiasa ao amin’ity kaompania ity amin’izao fotoana izao satria ny antsasa-karama sisa no raisin’izy ireo, eo ihany koa ny fampihenana ny isan’ny mpiasa ka izany no mahatonga ny Randrana Sendikaly mijoro. Raha ny fantatra, mpiasa manodidina ny 1.200 no voakasika mivantana manoloana ny tsy fahalavorariana eo amin’ny fihodinan’ny orinasa ankehitriny. « Tokony handray fepetra mikasika ny sehatra an’habakabaka ihany koa ny fanjakana satria io no isan’ny andry iankinan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara », hoy hatrany ny Randrana Sendikaly. Ankoatra izay, vahaolana aroson’izy ireo koa ny hijerena ny pitsopitsony tsy mampandeha ny Air Madagascar. Izany moa dia tao anatin’ireo lahadinika nifampidinihan’ny Ministry ny Fitaterana sy ny Randrana Sendikaly.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930