Madatopinfo

 Flash Info

FANADIHADIANA LALINA. TSENA ZAIMAIKA MODERNA: Tafiditra ho laharana faha-32 vaovao ihany ny faha-34 teo aloha saika lasan’ny mpisoloky

FANADIHADIANA LALINA. TSENA ZAIMAIKA MODERNA: Tafiditra ho laharana faha-32 vaovao ihany ny faha-34 teo aloha saika lasan’ny mpisoloky

FANADIHADIANA LALINA. TSENA ZAIMAIKA MODERNA: Tafiditra ho laharana faha-32 vaovao ihany ny  faha-34 teo aloha saika lasan’ny mpisoloky
novembre 17
08:00 2021

Hentitra ! Io no teny mahalaza ny fahazoana ireo toerana vaovao ao amin’ny Tsenan-tsakafo Zaimaika Ambodifilao, Analakely. «Tao anaty lisitra ny tenanay nandritra ny famonjena fiofanana mahakasika ny fanadiovana ny 4 Novambra sy ny fanaterana ireo fotokopia ny antontan-taratasy ara-dalàna ny Alatsinainy 15 Novambra tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Ora iray taty aoriana tsy tafiditra anaty fisarihana ny anaranay.» Hoy i Maminiaina Urbain Vianney R., raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay tamin’io andro nanaovana antsapaka ny toeran’ireo mpivarotra an’ny Zaimaika io, tao amin’ny tranom-pokonolona Analakely.
Tsiahivina moa fa ny marainan’ny talata 16 Novambra teo, nandritra ny fitondrana ireo porofo ara-dalana rehetra tahaka ny taratasy fifanolorana, ny karatra fanamarinana maha-mpivarotra, ny taratasy nadoavana hetra sy haba, ny fotokopian’ny taratasy manamarika nahavita fiofanana tamin’ny fahadiovana sy ny fifampiresahana teo anatrehan’ny Talen’ny Tsena eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Andriamatoa Rija, sy ny Lehiben’ny Tsena Analakely, Emile Rakotonirina no nampilamina tanteraka io tsena io, ary notanterahina avy hatrany ny fisarihana ka nahazoany ny laharana faha-32.
Saingy nampagaga fa efa anaran’olon-kafa no nasolon’ny tsy mataho-tody tao ary voalaza fa tsy namonjy fiofanana ny tena tompony ka voaesotra hatrany amin’ny “fiche de presence” nosoniavina teo ambaravarana ary voatery nanaovana fotokopia io taratasy fiofanana misoratra amin’ny tena tompontsena ara-dalàna, Maminiaina Urbain Vianney R. nomena ny Talen’ny Tsena. Midika izany fa misy lava-tanana tao. Ny herinandro mialohan’io anefa raha tonga haka vaovao tao amin’ny sampandraharaha “DIPLES” ny mpanao gazetinay dia nilaza mazava ny mpitan-tsorany izay mpitondra hafatra fa tsy misy idirany io Zaimaika io fa ny Talen’ny Tsena no tompon’antoka. Ity farany izay niezaka nangarahara tanteraka nandritra ny an-tsapaka ary voalaza fa tsotra sy ankitsim-po ny fifampiresahana.

Kolikoly avo lenta sy fanararaotam-pahefana

Ny fanadihadiana lalina notanterahin’ny mpanao gazetinay no nahalalana fa nisy mpanararao-pahefana sy mpanao kolikoly tao ambadik’i Soloniaina Francine Razanamahefa. Ity izay niseho ho tompon’io tsena io kanefa tsy nahaloa hofatsena nadritra ny taona maro ary efa nanao taratasy fametraham-pialana tamin’ny lehiben’ny Tsena Analakely, taona maro lasa nilazany fa tsy manana zo sy andraikitra amin’io tsena laharana faha-34 io intsony izy.

An-taonany maro izy no tsy tao anaty lisitra ofisialy, noho izany fa sendran’ny mpanajoboka dia nikiry biby ihany sao tafiditra. “Olona mifampihinana ny manta sy ny masaka tamiko no nikasa haka vola tamiko ary nampanantena ahy fa tsy maintsy azoko io tsena efa tsy ahy io na dia efa nifandimby olona roa aza taty aoriako. Saingy toa narirarirany aho noho izaho tsy manambola.” Hoy i Soloniaina Francine Razanamahefa.
Nampirisihin’ny tompontsena sy ny delege hitory moa ity farany raha tena very tsena tokoa saingy tsy sahy noho ny taratasy eo an-tanany tsy misy afatsy fotokopia efa an-taonany maro lasa ary miaiky izy efa fanisana mpivarotra indroa miantaona no efa tsy tao anaty lisitra ny anarany. Nanao taratasy (1) izy ny 15 Novambra nilazany fa nanofa tsena izy, nanajary ary manantena hahazo iray amin’ireo ambin-tsena efatra ankoatra ireo 60 ara-dalàna fa tsy ilay laharana faha-34 teo aloha intsony.
Vonona hiaro ny marina hatrany amin’ny tribonaly
Nanao taratasy fanambarana iombonana (2), teo amin’ny Hotely Zaimaika Analakely, ny tolakandron’ny talata 16 Novambra mikasika ny tsy fanan’i Soloniaina Francine Razanamahefa io tsena 34 io ny voakasika rehetra. Efa nanomboka ny lisitra 2020 izay vita fitomboka menan’ny lehiben’ny tsena tamin’izany no tsy tao anaty lisitra izy, raha ny boky nentin’ny Delege teo aloha Justin Raymond Rakotondramanana (3) sy ny antontan-taratasy maro. “Taloha, noho ny tsy fandoavany hofatsena an-taonany maro, rehefa tonga ny mpisava ny taratasy momban’ny hofa-tsena ka nanjary natahotra izy ka niala teo ary azo hamarinina any amin’ny lehiben’ny tsena sy ny fitantanam-bola izany.” Volazan’i farany moa fa rehefa tsy mivarotra mandritra ny tapa-bolana, na tsy mahaloa hofatsena telo volana tamin’izany dia soloin’ny Lehiben’ny Tsena.


Ny Delege amperin’asa ankehitriny, Jean Raymond Razakaria dia mbola manizingizina anaty taratasy fanambarana iombonana fa tsy an’io Soloniaina Francine Razanamahefa io velively io laharana faha-34 teo aloha io. Mbola nanamafy izany i Rajotahiry Herinantenaina Andrianorovelo, izay nanolotra io stand faha-34 io tamin’ny tompon-tsena ankehitriny Maminiaina Urbain Vianney R. fa tsy nisy nampiasa volana maro io tsena io ary nanaovany taratasy fangatahana ka azony tamin’ny fomba ara-dalàna ary nampiasainy. Saingy noho ny antony tsy fahafahany taty aoriana dia io natolony an’i Maminiaina Urbain Vianney R. io . Nilaza ihany koa ny tomponandraikitra lefitra fa : “Tsy niteny nandritra ny fivoariana ny 28 oktobra teo hoe ny tsena laharana fah-34 no omena an’io Francine S. R. io fa raha misy ambiny ankoatra ireo 60 dia mba jerena izy”, araka ny fanambaran’i Norbert Rabemaromanana
Navoaka amin’ny haino aman-jery izao trangam-piarahamonina izao entina handisoana ny feo mandeha fa tsy mahitsy fiasa ny Talen’ny Tsena ankehitriny sy hanatsikafonana ny marina mikasika famingampinganana ny fiverenan’ny mpivarotra tena ara-dalana teo aloha ao amin’ny Tsena Zaimaika ary hiarovana ny voninahitry ny Ben’ny tanàna, Naina Andriantsitohaina izay tohanan’ny mpivarotra ara-dalana rehetra ao amin’ny Zaimaika. Raha tsy izy tomponandraikitra voalohan’ny tanana an’Antananarivo Renivohitra niaraka tamin’ny Fikambanana Miel mantsy tsy vita mafy sy tsara ary manaram-penitra toa io Zaimaika. Mitaky fahamalinana ho an’ny fitondrana izay mijoro, indrindra ny Ben’ny tanana eto Antananarivo Renivohitra fa tsy ilaozan’ny mpanipy hoditr’akondro manodidina azy, ao koa ireo tanana zatra mitsotra amin’ny fanararaotam-pahefana sy ny kolikoly. Izao vaovao izao natao hifanabeazana, hanasongadinana ny efa milamina ary hofantatr’ireo tendan-kanina mpanararaotra mahitan’ny Zaimaika vita tsara fa ireo mpivarotra 60 ara-dalana, manana ny fanamarinana maha-mpivarotra 2021, izay nohavaozina ny volana Jona teo no miverina ao. Ankoatra ireo 60, mikasika ny tsena maro manamorona ny lalana sy ny rihana voalohany ary faharoa, afaka manatona ny tomponandraikitry ny kaominina sy ny Miel mahakasika izany, raha liana.
Visible sur madatopinfo.com et gazette-madagascar.

Haja Nirina

(1) Taratasy nataon’i Francine S. R. nilaza fa nanofa tsena izy, nanajary ary manantena hahazo amin’ireo 4 ambiny ankoatra ilay 60 fa tsy ilay laharana faha-34 ,teo aloha no iadivany.
(2) Taratasy fanambarana iombona’ireo tompon’ny tsena teo aloha izay namindra tamin’ny ankehitriny sy ireo mpiandraikitra an’ny Zaimaika tamin’ny fotoana androny sy amin’izao fotoana izao.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930