Madatopinfo

 Flash Info

NOTANDINDOMINDOZA NY TSENA ZAIMAIKA : Faty nikararana no heverina nitranga tamin’ny fotodrafitr’asa teo aloha

NOTANDINDOMINDOZA NY TSENA ZAIMAIKA : Faty nikararana no heverina nitranga tamin’ny fotodrafitr’asa teo aloha

NOTANDINDOMINDOZA NY TSENA  ZAIMAIKA : Faty nikararana no heverina nitranga tamin’ny fotodrafitr’asa teo aloha
avril 23
07:18 2021

77. Ireo no isan’ny andry voatery natsangan’ny “association Miel” niainga avy any ifotony, raha ny angom-baovaon’ny mpanao gazetinay teny an-toerana, ny alakamisy teo. Efa orinasa roa mpanangana trano no nisahana an’io tsenan-tsakafo Zaimaika Ambodifilao io talohan’ny “Miel” saingy samy nanatsara ny endrika ivelany fotsiny izy ireo fa tsy nizaha ireo rindrina sy andry efa boboka sy hoto tanteraka tahaka ny nataon’ny “Miel” ankehitriny. “Biriky mohaka miendrika tongodavarangana fa nolalorina simenitra matevina fotsiny no hany mba natao andry teo aloha. Ny vovonana koa nanampy trotraka izany hita fa matevina tsy voafihina fa zara raha nisy ranjam-by roa tao anatin’izy ireo no sady tsy nidona amin’ny rindrina fa natsingevana fotsiny teo.” Hoy i Martin Arthur Ramamonjy, tomponandraikitra voalohany amin’ny famitana ny tsena Zaimaika Analakely. Tsy vitsy tokoa ireo mimenomenona fa ahitana fahatarana ny famitana io tsena io. Voalazan’ny mpiandraikitra hatrany anefa fa enim-bolana no faharetan’ny asa tanaty tetik’asa, ka vao telo volana sy tapany no nandraisan’izy ireo an-tanana ny foto-drafitrasa. Tetsy andaniny, teo koa anefa +ny rotsak’orana sy ny tsy ampoizina maro noho ny fandrodanana voatery natao hatrany ifotony sy nananganana ireo andry sy valindrihana maro be. Voalaza aza fa hatramin’ny 95% no narodana ny teo aloha. Manara-penitra amin’ny tao-trano avokoa ireo larona simenitra sy ny ranjam-by tahaka ny fer 10 sy 12 ary 14 amin’izao fananganana vaovao izao.
Honahona nototofana Analakely
Ny fihadiana lalina ny fototra nananganana andry tao amin’ny Zaimaika no nahalalana fa tanimbary nototofana tahaka ireo Betsimitatatra sy ny faritra iva maro teto Andrenivohitra Analakely. “Tany mena izay hita fa notaomina avy tany amina tendrombohitra no hita voalohany rehefa nandavaka izahay. Narahina tany mainty izany avy eo ary tany amin’ny tanimanga vao nijanona ny fototr’ireo andry 77 vao natsangana ireo.” Hoy ny mpiandraikitra ny Miel, Martin Arthur Ramamonjy, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay ny 22 Aprily teo. Vavolombelon’ny tantara sady misokatra ho an’ireo mpikaroka vakoka tranainy sy hay mahakasika ny tany ity fitrandrahana ny fototr’I Zaimaika ity.
Zaimaika, zokin’Ambohitsorohitra
Ankoatra ny arkeology sy jeolografy, voalaza fa anisan’ny trano tranainy indrindra teto Andrenivohitra Zaimaika ka misokatra amin’ny mpandalina tantara. “ Totobato an’Ambondrona sy Antaninarenina aloha no nataon’ny mpanjanan-tany. Nitazana nidina izy ireo ka nihevitra fa ilaina koa ny tsenan-tsakafo, noho ireo mpandalo amin’iny toerana iny ka izay no nanangana an’ny Zaimaika. Taty aoriana vao natsangana io Lapam-panjakana Ambohitsorohitra io. Taty afara avokoa ireo tsena rehetra sy “pavillon” Analakely rehetra ireo.” Hoy hatrany Mamy sy Martin Arthur Ramamonjy mpiandrakitra ny famitana an’ny Zaimaika.
Anisan’ireo fotodrafitrasa vita simenitra voalohany, arak’izany ity tsenan-tsakafo masaka Ambodifilao ity ka tsy mahagaga raha efa lasa fasihina ny andry sy biriky tamin’izany andro izany. Izany biriky sy simenitra marefo izany anefa no notohizina sy nametrahan’ireo mpanamboatra teo aloha ny tafo izay navesatra tokoa. Midika izany fa niantehitra tamin’ny andry boboka ireo “entreprises “ roa ireo. Mila jeren’ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny Fanjakana na ny kaominina akaiky ny heverina fa asa vorika toy izao, izay ny vahoaka hatrany moa no tratra farany ary ny mpitondra voalohany no voasoketa sy lasibatra. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa ho tokanana afaka volana vitsy ity velirano fahatelon’ny Ben’ny Tanana an’Antananarivo, Naina Andrintsitohaina ity. Fotodrafitrasa izay raitra sady holovain-jafiafy, hanome endrika ny Renivohitra, raha tazanina avy amin’ireo toerana avo ity tsena an’Ambodifilao ity aoriana kely. Efa manomboka mijoalajoala ireo rindrin’ny rihana voalohany.
SARY : Mihantona toy izao ary ranjam-by roa fotsiny no nitondra ity andritafo makadiry ity teo aloha.
Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930