Madatopinfo

 Flash Info
  • MVOLA SY VOILADOC : Miara-miasa ho fisitrahan’ny malagasy tolotra ara-pahasalamana azo antoka Isan’ny zo fototry ny olona tsirairay ny fahasalamana, noho ny tsy fahampiana sy ny halaviran’ny toeram-pitsaboana amin’ny toerana sasany anefa dia maro ny olona indrindra any ambanivohitra no tsy misitraka...
  • FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena Tanjon’ny orinasa Malagasy M.A.MA (Mutuelle d’Assurance MAlagasy) ny hametrahana fitokisana eo amin’ny samy mpikambana tsirairay ao anatin’ny Fikambanam-piantohana ho amin’ny fitantanana mahomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena, raha...
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...

ORINASA JIRAMA: Hametraka lamina matipaika hanamafisana sy hanatsarana ny fomba fiasa

ORINASA JIRAMA: Hametraka lamina matipaika hanamafisana sy hanatsarana ny fomba fiasa

ORINASA JIRAMA: Hametraka lamina matipaika hanamafisana sy hanatsarana ny fomba fiasa
juillet 04
07:15 2020

Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny tompon’andraikitra teo anivon’ny JIRAMA ny zoma 3 Jolay izay notanterahana teny amin’ny foibeny Ambohijatovo ambony mikasika ny olana faktiora nampimenomenona sy nampisavorovoro ny mpanjifa tato ho ato. Nitondra fanazavana nandritra izany ny Filohan’ny Filan-kevi-pintantanana, Solo Andriamanampisoa sy ny Tale Jeneraly, Vonjy Andriamanga ary nanatrika teny an-toeran aihany koa ny mpiaron’ny zon’ny mpanjifa, Lita Rabetsara. Heno sy tsapa hoy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity orinasa ity ny fitarainana hataon’ny mpanjifa manoloana ny olana indrindra amin’izao hamehana ara-pahasalamana eto amintsika izao. Nanaiky ihany koa izy ireo fa nisy ny lesoka tao anatin’izany ary nametraka ny fialan-tsiny ny orinasa JIRAMA. Fanapahan-kevitra raisin’ny orinasa ny hanamafisana ireo fepetra fanatsarana efa natao, eo ihany koa ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny fihainoana ny mpanjifa. Raha tsiahivina, ny resaka faktiora miverimberina ao anatin’ny iray volana, ny faktiora midangana tsy mahazatra no tena niompanan’ny fitarainana’ny mpanjifa tato anatin’ny volana vitsivitsy izay.
Tsy nitazam-potsiny manoloana ireo olana mianjady ny mpanjifa ireo anefa ny ekipan’ny JIRAMA fa nikaro-bahaolana mahomby andro aman’alina hikatsahana ny tombotsoan’ny mpanjifa azy ireo hatrany. Nanambara ny Tale Jeneraliny, Vonjy Andriamanga fa misy ny fepetra sy lamina horaisin’ny orinasa JIRAMA manoloana ireo olana mampitaraina ny mpanjifa ireo. Araka ny nambarany, ho an’ireo mpanjifa niharan’ny fiakaran’ny faktiora midangana tsy toy ny mahazatra dia hisokatra manomboka amin’ny alatsinainy 6 Jolay ho avy izao ny ivontoerana manokana na « kiosque spécial » manerana ny masoivoho 6 raha efa nisokatra 3 herinandro kosa ny eny Antanimena handraisan any fitarainana na fanamarihana. Araka ny fanampim-panazavana hatrany, ho valiana eo an-toerana ihany ny fitarainana sy ny fanamarihana voaray ary efa hahazo fiofanana avokoa ny ekipa mandray ny mpanjifa mandritra izany. Ankoatra izay, mbola misokatra ho an’ny mpanjifa ihany koa anefa ny laharana maitso 35 47. Hojerena sy hikaroham-bahaolana avokoa, hoy ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, ny fitarainana voaray ary afaka mandoha tsikelikely hatramin’ny enim-bolana ny mpanjifa niaran’izany fiakarana tsy toy ny mahazatra izany.
Raha ho an’ny mpanjifa eto Antananarivo indray kosa, dia fantatra fa ahemotra hatramin’ny faran’ny volana hitsahana ny fandoavana ny faktiorany fa tsy 10 andro toy ny teo aloha intsony izany hoe faktiora iray isam-bolana ihany. Mbola misokatra hatrany ihany koa ny fandovana faktiora amin’ny alalan’ny finday na ny « mobile money » izany ialana amin’ny mety filaharam-be indrindra amin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao. Ankoatra izay, afaka manemotra ny fandoavana faktiora ny mpanjifa ary tsy hisy ny fanapahana jiro na rano mikasika ny tsy fahafahana mandoha izany hatreto. Nilaza moa ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA fa mihatra avy hatrany ireo fepetra ireo ary hiezaka hanakaiky ny mpanjifa hatrany ny orinasa.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930