Madatopinfo

 Flash Info

MPANDREFY TANY MPAHAY: Nitombo 46 ireo nanatanteraka ny fianianana teny amin’ny Fitsarana ambony

MPANDREFY TANY MPAHAY: Nitombo 46 ireo nanatanteraka ny fianianana teny amin’ny Fitsarana ambony

MPANDREFY TANY MPAHAY: Nitombo 46 ireo nanatanteraka ny fianianana teny amin’ny Fitsarana ambony
février 28
13:59 2022

Mateti-pitranga eny anivon’ny fiarahamonina ny ady tany, isan’ny mampirongatra izany ny fisian’ireo mpisoloky ny asa fandrefesan-tany. Mitarika fahasimban’ity sehatra ity anefa izany ary mahatonga ny vahoaka sasany tsy mahatoky ireny mpandrefy tany ireny. Ho fisorohana izany, hasongadina ny asan’ny « géomètres experts » amin’ity taona 2022 ity entina hanamarihana ny faha-10 taonan’ny mpandrefy tany mpahay eto Madagasikara. « Haverina ny hasin’ny asan’ny mpandrefy tany mpahay ary koa hiezaka hamongotra ireo olona izay mangalatra sy manararaotra ny asa’izy ireo izay tsy nahazo alalana na tsy ao anatin’ny Tableau de l’Ordre ny Holafitra », hoy ny Filohan’ny OGEM, Nasoavina Rakotomalala. Aorian’ny zaikabe izay hotanterahana ny volana aprily ho avy izao any Mahajanga, vina ho tratrarina amin’ity fankalazana ny faha-10 taona ity ny fanamafisana ny fampahafantarana ny asany amin’ny vahoaka malagasy hanatsarana ny fomba fiasa mendrika.
Nohamafisin’ity tompon’andraikitra ity fa ireo izay nahavita fianarana 5 taona amin’ny sampam-piofanana « Géomètre topographe » na ny « Information géographique et aménagement du territoire » teny amin’ny Polyclinique Vontovorona ihany no hany afaka misitraka ity asa ity. Manan-jo hitaky ny karatra maha matihanina azy ireny koa ny vahoaka hisorohana ny mety ho fangalarana misy, araka ny fampahafantarana nataon’ny OGEM hatrany. Miisa 311 ireo misahana ny asa fandrefesan-tany mpahay manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao, ny 46 mianadahy amin’ireo vao nahavita ny fianianana tamin’ny andiany indraimihira fahafolo ny zoma 25 febroary lasa teo teny amin’ny Fitsarana ambony Anosy. « Misy amin’izy ireo no miasa eny amin’ny sehatra tsy miankina, eo ihany koa ireo hanatevin-daharana any amin’ny fanjakana », hoy ihany ny Filohan’ny Holafitry ny OGEM. Efa misy mpandrefy tany mpahay moa isaky ny distrika manerana an’i Madagasikara, ho an’ny distrika iray mantsy misy « géomètre expert » izay misahana ny filàn’ny vahoaka ao an-toerana ary nambaran’ny OGEM fa ampy io isa voalaza io. « Asa masina ny asa fandrefesan-tany, mila fahaizana », hoy ny hiakan’ny Holafitry ny fandrefesan-tany eto Madagasikara.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930