Madatopinfo

 Flash Info

FANISANA NY MPIFIDY: Olompirenena 5.071.688 no voasoratra anarana hatramin’ny 28 Novambra

FANISANA NY MPIFIDY: Olompirenena 5.071.688 no voasoratra anarana hatramin’ny 28 Novambra

FANISANA NY MPIFIDY: Olompirenena 5.071.688 no voasoratra anarana hatramin’ny 28 Novambra
novembre 30
06:25 2022

Hatramin’ny nanombohan’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy tamin’ny 01 Oktobra lasa teo, 5.071.688 amin’ny 13.593.006 izay manome salan’isa 37,31 isan-jato no mpifidy voasoratra anarana hatreto araka ny antontan’isa nampahafantarina nandritra ny atrikasa fanaovana « tomban’ezaka antsasa-dalana » ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny Rejisim-pifidianana nasionaly izay notanterahana teny Mahamasina, omaly. Distrikan’Iakora no nitarika tamin’izany, mahatratra 74,38% izany hoe ny 19.925 no mpifidy voasoratra anarana, manaraka azy avy kosa ny Distrikan’i Kandreho. Hatramin’ny datin’ny faha-28 ny volana Novambra, fantatra ihany koa fa mbola ny 6,07% no tahan’ny mpifidy voasoratra anarana ao amin’ny Distrikan’i Marolambo noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny taratasy fanoratana ny anaran’ny ho mpifidy, eo ihany koany halavirana sy ny haratsian’ny lalana, izany hoe ny 3.960 amin’ireo 77.844.
« Tanjona ankapoben’ity fihaonana ity araka izany ny mba ho fiaraha-miasan’ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana hanaovana tomban’ezaka ny fizotry ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ary ihany koa hamoahana ny fanitsiana sy ny fanatsarana », hoy ny Filohan’ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI), Dama Andrianarisedo Retaf Arsène. Nanasongadina ny Ministry ny Atitany SY Fitsinjarampahefana, Tokely Justin fa ankoatra ny Vondrom-bahoaka-paritra itsinjarampahefana, manana anjara toerana goavana amin’ny fanentanana ny olompirenena mahafeno fepetra hisoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy ihany koa ny hery velona rehetra, tafiditra ao anatin’izany ny Firaisamonimpirenena, ny Antoko politika, ny fitondram-panjakana ary izany no mahazava-dehibe izao hetsika karakarain’ny CENI ity.
Ny fampitoviana ny fomba fijery amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ny fifampizarana ireo antontan’isa mikasika ny fanisana vita hatreto, ny fijerena ny paikady mikasika ireo sokajin’olona tsy eo amin’ny toeram-ponenany mandritra ny vanim-potoana hanatanterahana ny fanisana, ireo tokoa mantsy no tanjona manokana tamin’io fivoriana io. Ankoatra izay, teo ihany koa ny fiaraha-mijery ireo olana sedraina mandritra ny fanisana ny mpifidy ary ireo soso-kevitra hamahana izany, ny fanaovana tomban’ezaka ny tan-tsoroka sy ny fandraisana andraikitry ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana. Raha ny fantatra, Firaisamonimpirenena miisa 11 sy Antoko politika 25 no nanatanteraka ny fanaraha-maso teo anivon’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana (CLRE) nandritra ny fanisana. 72% anefa no ezaka mbola hotratrarina, noho izany dia manantena hatrany ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra rehetra ny CENI ary nanamafy hatrany ny Filohany fa dingana voalohany amin’ny fizotry ny fifidianana ny fanisana ny ho mpifidy ka tokony hatao laharampahamehana.

Sary: CENI Madagascar

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930