Madatopinfo

 Flash Info

FONDATION AXIAN – ORINASA TOM: Sekoly maro no hisitraka ny fandaharanasa « Madio Tom »

FONDATION AXIAN – ORINASA TOM: Sekoly maro no hisitraka ny fandaharanasa « Madio Tom »

FONDATION AXIAN – ORINASA TOM: Sekoly maro no hisitraka ny fandaharanasa « Madio Tom »
avril 26
05:30 2021

Antoka iray mahatsara ny voka-panadinana eny anivon’ireny sekoly ireny ny fahadiovana. Isan’ny olana anefa ny tsy fahampiana sy tsy fisian’ny fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany ka miteraka aretina sy tsy fahasalamana ho an’ny mpianatra. Amin’izao fotoana izao, misy ny fandaharan’asa miompana amin’ny fidiovana iarahan’ny Fondation Axian sy ny orinasa Tower of Madagascar (TOM) manatanteraka izay antsoina hoe « Madio Tom ». « Sekoly maro eto Antananarivo no hisitraka ity fandaharan’asa Madio Tom ity ato anatin’ny 5 taona », hoy ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Fondation Axian, Claudia Ravelonjato. Efa nisitraka izany moa ny EPP Ambodifiakarana, EPP 67Ha, EPP Ampefiloha, EPP Ambodihady. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 22 Aprily lasa teo ihany koa ny fotodrafitrasa fidiovana manarampenitra ao amin’ ny EPP Anatihazo Isotry izay misy mpianatra 886 sy mpampianatra 18. « Tsy ampy ny toeram-pidiovana teto an-toerana teo aloha satria box miisa roa ihany no nisy teto, ankehitriny kosa noho ny fiaraha-miasa amin’ny Fondation Axian sy ny TOM dia nahazo box miisa valo izahay sady malalaka no madio « , hoy ny Talen’ny EPP Anatihazo Isotry, Nantenaina Farasoa Mampionona. Raha ny fantatra moa dia mitotaly 3.000 ny mpianatra efa misitraka ny Madio Tom. Tombony ho an’ireo sekoly ireo araka izany ny nahazoana io fotodrafitrasa lehibe io indrindra amin’izao vanim-potoana iadiana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao. Nanatrika io lanonam-pitokanana io ny solontenan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny solontenan’ny Ben’ny Tanàna an’Antananarivo renivohitra, teo ihany koa ny avy ao amin’ny Fondation Axian izay notarihan’ny Tale Mpanatanteraka Isabelle Salabert ary ny Tale Jeneralin’ny orinasa TOM.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031