Madatopinfo

 Flash Info

FANDAHARAN’ASA PPAB: Niainga ny famolavolana paikady mampiaty ny fiovan’ny toertr’andro sy mahatsangy ny tanàn-dehibe

FANDAHARAN’ASA PPAB: Niainga ny famolavolana paikady mampiaty ny fiovan’ny toertr’andro sy mahatsangy ny tanàn-dehibe

FANDAHARAN’ASA PPAB: Niainga ny famolavolana paikady mampiaty ny fiovan’ny toertr’andro sy mahatsangy ny tanàn-dehibe
avril 21
07:30 2022

Manodidina ny 77 isan-jato ny mponina eto Madagasikara dia miaina any amin’ireny toeram-ponenana tsizarizary ireny raha ny atontan’isa voaray. Ezaka goavana ny hampihena io tarehimarika io amin’ny alalan’ny PPAB na Programan’asa Ifarimbonana hAnatsarana ny Toeram-ponenana Tsizarizary (PIATT) izay volavolain’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH). Nisy araka izany ny atrikasa hametrahana ny paikady ho fanatsarana ny toeram-ponenana tsizarizary an-tanàn-dehibe manoloana ny fiovan’ny toetr’andro izay notanterahana teny Antaninarenina ny alarobia 20 Aprily. Miroso amin’ny dingana fahatelo amin’ny fandaharanasa PPAB i Madagasikara, hiompana amin’ny fanatanterahana ireo paikady voatily tamin’ireo andiany roa teo aloha. Tsy ahitana fandrosoana mantsy ny Kaominina raha mbola betsaka ny mponna miaina ao anatin’io sehatra io ao aminy. « Ny andrasana amin’ity tetikasa dingana fahatelo ity ny tokony hampiatiana ao anatin’ilay paikady momba ny resaka fiovan’ny toetr’andro sy ny fiatrehana ny loza voajanahary satria ireny toeram-ponenana tsizarirary ireny no tena lasibatra sy ivon’ny faharefoana. Ohatra amin’izany ny eny amin’ny toerana iva izay iharan’ny tondra-drano matetika rehefa vanim-potoana fahavaratra », hoy ny Rabe Harimanana, Point Focal National PPAB. Tanàna 3 moa no misitraka ity fandaharan’asa mitohy maharitra ity, Antananarivo Renivohitra sy Moramanga ary Manakara ary izany dia vatsian’ny Vondrona Eropeana vola sy hiaraha-miasa amin’ny eo anivon’ny Firenena Mikambana UN Habitat. Nanamafy ihany koa ny mpandrindra ny tatikasa PPAB, Jaona Andriamahazo fa : « Tanjona amin’izao atrikasa izao ny hamolavolana paikady mampiaty ny fiovan’ny toertr’andro sy mahatsangy ny tanàn-dehibe mba hahafahana miditra amin’ny fanitarana sy fametrahana indray paikady vaovao hahafahana miasa amin’ireo tanàna hafa ». Araka ny fantatra, isan’ny vokatra azo tamin’ny alalan’ny programan’asa PIATT ny fanatsarana ny toeram-ponenana tany Manakara ka nitondrana ireo fanavazana manaraka ny fenitra noho ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, teo ihany koa ny lafiny fanadiovana ara-pitaovana sy ara-pahaiza-manao izay niarahana tamin’ny CUA, tsy latsa-danja koa ny tany Moramanga izay efa nanatanterahana fanadiovana ny lakan-drano. Nandray anjara nandritra ity atrikasa ireo mpiantsehatra rehetra mikasika ny toeram-ponenana tsizarizary tahaka ny solontenan’ny ministera voakasika, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny mpandrindra ny PPAB, ny UN Habitat. Nivoaka aorian’ny atrikasa araka izany ny torolalana mifanaraka amin’ny fisorohana ny fisian’ny trano tomboka sy ny fanatsarana ireny toeram-ponenana tsizarizary ireny.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930