Madatopinfo

 Flash Info

VOLY FIRST IMMO: Toerana 8 eto Antananarivo no hisitraka ny tetikasa amin’ity taona ity

VOLY FIRST IMMO: Toerana 8 eto Antananarivo no hisitraka ny tetikasa amin’ity taona ity

VOLY FIRST IMMO: Toerana 8 eto Antananarivo no hisitraka ny tetikasa amin’ity taona ity
août 21
05:00 2020

Isan’ireo olana telo lehibe eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fialana an-daharana any an-tsekoly ary ny fahasarotana amin’ny fahazoana asa maharitra sy eo amin’ny lafiny karama. Mba hamahana ireo olana ireo no nahatonga ny Vondrona Axian hametraka ny fandaharan’asa antsoina hoe: « Voly First Immo » izay mifototra amin’ny fampandrosoana sy mahasoa ny olona marefo. Natao hiaraha-miasa akaiky amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) izany sady mifanindran-dalana amin’ny Velirano 1 sy 6 ihany koa moa ny tetikasa izay miresaka momba ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina eto Antananarivo sy ny hahatonga ny tanàna an’Antananarivo ho maitso kokoa.
Ny 7 Aogositra 2020 no notanterahana ny fifanarahana voalohany tamin’ity fandaharan’asa ity izay nosoniavina niaraka tamin’ny CUA. Ny ivon-toerana Akany Iarivo Mivoy izay mandray ireo tsy manan-kialofana eto an-drenivohitra , ny toerana natokana ho an’ireo zaza tsy ampy taona any amin’ny fonjan’Antanimora, ny EPP Ankadinandriana, ny EPP Ambohipo, ny EPP Analamahitsy Cite, ny EPP 67Ha, ny EPP Mahamasina Atsinanana ary ny EPP Anosisoa no toerana 8 hisitraka ny tetikasa « Voly First Immo » amin’ity taona 2020 ity.
Ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra araka izany no hiandraikitra ny fampandehanan-draharaha sy ny fanaraha-maso ny tetikasa, ny orinasa First Immo ao anatin’ny Vondrona Axian kosa no misahana ny fanohanana ara-bola. Ny First Immo rahateo dia efa nanatanteraka fandaharan’asa maro teo amin’ny sehatry ny trano fonenana nandritra ny 20 taona. Tanjona iombonan’ny roa tonta amin’ny tetikasa « Voly First Immo » ny hananan’ireo mpisitraka fizakan-tena ara-tsosialy sy ara-bola bebe kokoa.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930