Madatopinfo

 Flash Info
  • FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena Tanjon’ny orinasa Malagasy M.A.MA (Mutuelle d’Assurance MAlagasy) ny hametrahana fitokisana eo amin’ny samy mpikambana tsirairay ao anatin’ny Fikambanam-piantohana ho amin’ny fitantanana mahomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena, raha...
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...
  • Manasa e-SAKAFO 038.33.633.77 VARY SY LAOKA NAHANDRO GASY Sakafo vaovao, madio, tsy misy karbonetra Sur place, emporter, livraison SAKAFO ATOANDRO Zaimaika 26,36 Analakely SAKAFO HARIVA Rond point Andravoahangy...

TAOLAGNARO: Nohavaozina ny ivon-toerana American Corner

TAOLAGNARO: Nohavaozina ny ivon-toerana American Corner

TAOLAGNARO:  Nohavaozina ny ivon-toerana American Corner
août 06
02:18 2022

Notokanan’ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo, ny Governoran’ny Faritra Anosy Jocelyn Raharimbola sy ny Lefitra Voalohan’ny Ben’ny tanànan’i Taolagnaro Livera Bevazaha, ary ny Tompon’andraikitra misahana sosialy ao amin’ny QMM Martino, Solomampionona tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 5 Aogositra ny ivon-toerana American Corner Taolagnaro. Naharitra 2 volana ny asa fanavaozana sy fampitaovana ary efa miverina misokatra ho an’ny daholobe izany manomboka izao.
Tsiahivina fa nampiantranoin’ny QMM Rio Tinto ao amin’ny biraony ao amin’ny tranoben’ny CNAPS eto an-tampon-tanànan’i Taolagnaro ny American Corner nanomboka ny taona 2016. Niara-niasa tamin’ny Masoivoho Amerikana ny QMM nanavao tanteraka ny ivon-toerana sy nanome aterneto haingam-pandeha. Avo roa heny noho ny halehibehin’ny toerana teo aloha ity American Corner nohavaozina ity. Ankoatra izay, nanolotra fitaovana mitentina manodidina ny 50.000 dolara ny governemanta amerikana, anisan’izany ny fitaovana manaraka ny teknolojia vaovao, ny fanaka sy “imprimante 3D”, solosaina vaovao miisa 16, sy ny fitaovana fampiasa amin’ny fivoriana ampitain-davitra. Aorian’ireo fanavaozana ireo, ny American Corner dia hanolotra fandaharan’asa mivelatra kokoa hianarana ireo soatoavina Amerikana sy Malagasy iraisana, handraisana anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra maro sy handratoana fianarana ary hanatsarana ny fampianarana sy fianarana teny anglisy. Ny « English Center of Fort Dauphin », izay mitantana ny American Corner no hitarika ireo fandaharan’asa ireo miaraka amin’ny Masoivoho Amerikana.
Ny Ambasadoro Pierangelo dia nilaza nandritra ny lanonam-pitokanana fa: « Amin’ny izao fanokafana indray ny American Corner Taolagnaro izao, ny governemanta amerikana dia manavao ny fanoloran-tenany hiara-hiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ireo maintimolalin’ny programa fifanakalozana vatsian’ny governemanta amerikana sy ireo mpikambana ao amin’ny American Corner ary ny olona rehetra toy ny ‘mpirahalahy mianala’, eo ihany koa ny hametrahana toerana ahafahan’ny atsimon’ny Madagasikara mandray anjara amin’ireo dinika nasionaly sy iraisam-pirenena momba ny lohahevitra manan-danja eto an-toerana sy maneran-tany ».
Ny American Corner Taolagnaro moa dia iray amin’ireo American Corners telo eto Madagasikara ary tafiditra ao anatin’ny tambazotran’ireo ivon-toerana maherin’ny 700 mitovy amin’izy ireo maneran-tany izay tantanin’ny governemanta amerikana hanomezana vaovao azo antoka momba an’i Etazonia sy izao tontolo izao. Andalam-panokafana indray ireo American Corner telo eto Madagasikara ny Masoivoho Amerikana ka ny American Corner Taolagnaro no nisantarana izany.

RSM

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930