Madatopinfo

 Flash Info

ESTIIM’: Mpianatra 150 mianadahy no notolorana mari-pahaizana tamin’ny andiany « Andraina »

ESTIIM’: Mpianatra 150 mianadahy no notolorana mari-pahaizana tamin’ny andiany « Andraina »

ESTIIM’: Mpianatra 150 mianadahy no notolorana mari-pahaizana tamin’ny andiany « Andraina »
décembre 19
08:48 2023

Lanonana roa sosona no nankalazain’ny fianakaviamben’ny ESTIIM’ na Engineering School of Tourism, Informatics, Interpretership and Management teny amin’ny CCI Ivato ny zoma 15 desambra lasa teo izay notarihan’ny Tale Jeneraliny, Andriamatoa Miandrasoa Andrianadison. Samy nomarihana nandritra io fotoan-dehibe io ny famaranana manetriketrika ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroan’ny ESTIM’ sy ny famoahana ny andiany indraimihira misalotra ny anarana « Andraina ». Mitotaly 150 mianadahy ireo mpianatra no nahazo mari-pahaizana ka ny 61 tamin’izany nisitraka ny diplaoma DTS, 40 kosa ny Licence, 25 nahazo ny Master 1 raha 24 ny Master 2.
Ho fampirisihana ny mpianatra hilofo amin ‘ny fianarana, notolorana fankasitrahana manokana ireo izay mendrika indrindra isaky ny sampam-piofanana tamin’ity andiany « Andraina » ity.Tamin’ny Informatique i Mirah Rajaonarivony (Licence), no sady nandrombaka ny « Major de la promotion », i Sharmillah Jessica Younous (Licence) kosa tamin’ny lalam-piofanana Tourisme/Hôtellerie/Environnement, raha i: Hasina Mandresy Rasoloherimbola (Licence) no voahositra ho mendrika tamin’ny Administration/Management, Lantomirindra Lilly Randrianarisoa (Master 1) tamin’ny Communication, ny tao amin’ny Diplomatie/Sciences Politiques kosa dia i Tonny Michael Ranaivoson (Master 2) ary i Mmadi Zainoudine (Master 2) tamin’ny Droit.
Tsiahivina fa nandritra ny 20 taona niorenan’ny ESTIIM’, tsy nitsanga-menatra ny mpitantana satria saika tafiditra mpiasam-panjakana ambony, mitàna andraikitra lehibe amina orinasa tsy miankina, na ihany koa efa manana ny orinasany manokana izay niainga tamin’ny famoronan’asa ireo mpianatra navoakany. Ahitana lalam-piofanana 7 azo isafidianana moa ao amin’ny ESTIIM’: Droit, Diplomatie/Sciences Politiques, Communication, Administration/Management, Commerce/Marketing, Tourisme/Hôtellerie/Environnement ary Informatique. Mbola misokatra kosa ny fisoratana anarana ho an’ny L1 hatramin’ny M2 amin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity na « en mode présentiel » na ihany koa « à distance ». Afaka manantona mivantana eny amin’ny foiben-toerany Immeuble Cenam 67Ha Sud ihany koa ireo izay liana sy maniry ny hahazo fanampim-panazavana misimisy kokoa. Ho an’ireo avy any amin’ny Faritra kosa, misokatra amin’ny fifandraisana amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ESTIIM’ ny Facebook « Université ESTIIM », Instagram « Univestiim » sy Twitter « ESTIIM University ».

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031