Madatopinfo

 Flash Info

FIANGONANA ROYAL CHAPEL : Hiavaka ny famaranana ny taona 2023 amin’ity

FIANGONANA ROYAL CHAPEL : Hiavaka ny famaranana ny taona 2023 amin’ity

FIANGONANA ROYAL CHAPEL : Hiavaka ny famaranana ny taona 2023 amin’ity
décembre 29
08:15 2023

« Réveillon alin’ny faminaniana 2023 », io no lohahevitra entin’ny Royal Chapel hamaranana ity taona ity ny alin’ny 31 desambra ho avy izao izay hotanterahana ao amin’ny Royal Chapel Anosizato atsinanana. Amin’io fotoan-dehibe io, hibahan-toerana mandritra ny fandaharam-potoana ny tari-dalana ara-panahy, ny faminaniana iarahana amin’ny Profeta Elisha Owusu, fampianarana ny tenin’Andriamanitra iarahana amin’ny Pasteur Lova, fiderana sy fiankohofana. « Hampiavaka amin’ity taona ity amin’ny 8 ora alina no manomboka ny alin’ny faminaniana, hitohy ka hatramin’ny andro maraina izany. Somary hifantoka kokoa amin’ny fampidinana ny herin’ny Fanahy Masina noho ny fahamaroan’ny asan-devoly indrindra nanomboka tamin’ny taona 2020 izay nampirongatra ny areina Coronavirus, teo ihany koa ny famisaviana, famonoan’olona, faharatsiana sy fatotra, trosa sy sakana izay tena nanjaka », hoy i Pasteur Lova, Filohan’ny Royal Chapel.
Raha ny fanazavany, fotoana iray nangatahan’izy mivady tamin’ny Jesosy io alin’ny 31 desambra 2023 io, mba hidina mahery ny Fanahy Masina, hisintona ny herin’Andriamanitra hanafahana izay rehetra niainana tamin’ity taona ity na fahadisoam-panantenanana, na ihany koa aretina sy fahoriana. « Hasaina ny olona rehetra tsy ankanavaka na krisitianina na tsia, na mpino ny fiangonana Royal Chapel na avy amin’ny fiangonana hafa ho tonga amin’io Réveillon alin’ny faminaniana 2023 io, hangatahana manokana amin’Andriamanitra mba hotanteraka avokoa ny teny fikasana amin’iny taona 2024″, araka ny fanampim-panazavan’i Pasteur Lova.
Ho an’ny fiangonana Royal Chapel, isan’ny vokatra andrasana aorian’io alin’ny faminaniana 31 desambra 2023 io ny hitaona Fanahin’olona ho an’i Jesosy, ho maro ny olona hanolotena 100 isan-jato, ary ho ho afaka amin’ny famatorana rehetra. Fotoana izay hiverenan’ny afon’ny Fanahy Masina hiredareda ao anaty, sy hamelona ny fanatenana. Nitondran’ny Filohan’ny fiangonana Royal Chapel fanazavana ihany koa ny mikasika ny fandaminana amin’io « Réveillon », tsy misy ny vidim-pidirana ary tsy anavahana olona na fivavahana ny fahatongavana, malalaka ihany koa ny « parking » satria mahazaka fiara aman-jatony ny toerana, nanambara ny tenany fa efa hisy mpivarotra ao. Raha ny zava-maneno indray kosa no asian-teny, efa nahafantarana ny fiangonana Royal Chapel hatramin’izay ny fananany fitaovana raitra hiderana an’Andriamanitra. « Ho 2024 fandresena, fanafahana, fahombiazana », hoy i Pasteur Lova.

Sary fanehoana

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930