Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANANA AHMADIYYAH : Nanolotra sakafo ho an’ny fianakaviana manodidina ny 4.000

FIKAMBANANA AHMADIYYAH : Nanolotra sakafo ho an’ny fianakaviana manodidina ny 4.000

FIKAMBANANA AHMADIYYAH : Nanolotra sakafo ho an’ny fianakaviana manodidina ny 4.000
juillet 01
09:29 2023

Araka ny andininy faha-2 ao amin’ny Didim-panjakana laharana faha- 2023-007 tamin’ny 2 Febroary 2023 mamaritra ny andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ho an’ny taona 2023 ny Eid Al-Adha araka ny tetiandro nofaritan’ny Fikambanamben’nympino silamo. Tamin’ity taona ity, ny alarobia 28 lasa teo no nanamarihana izany ho an’ny ankabeazan’ny fikambanana silamo eto Madagasikara, isan’izany ny fikambanana silamo Ahmadiyya etsy amin’ny Sekoly miozolimana Ahmadiyya Andavamamba, izay notokanana tamin’ny taona 2008. Marihana isan-taona ny Eid Al-Adha, niavaka izany ho an’ny Ahmadiyya izay notanterahana teny an-toerana nandritra ny tontolo andron’ny alarobia 28 Jona. Ny maraina nisy fanaovana sorona biby amam-polony maro toa ny ondry, omby ary osy. Narahana fiaraha-misakafo kosa izany ny tolakandro. « Fianakaviana 4.000 avy eto Andavamamba sy ny manodidina no nisitraka fizarana tamin’ity, samy nahazo hena 1 kilao tsirairay avy izy ireo ary tsy nanavahana fari-piainana na finoana », hoy ny Filoha nasionaly ny fikambanana Ahmadiyya, Ahmad Mujeeb. Teratany vahiny aman-jatony ihany koa no nifanolo-tanana nandritra ny lanonana teny an-toerana. Teny filamatry ny fikambanana rahateo ny hoe : « Fitiavana ho an’ny rehetra, tsy fankahalana an’iza na iza ». Tsiahivina fa ahitana olona aman-tapitrisany no manaraka ny fanabeazan’i i-Hadhrat Mirza Gholam Ahmad, efa nisy tamin’izy ireo nahazo valisoa « Nobel », ministra, mpitsara, dokotera mpandidy, mpanao asa sosialy amin’ireo fiombonana ara-pivavahana samihafa eran’izao tontolo izao.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031