Madatopinfo

 Flash Info

ANALOGH: Hamoraina ny fananana trano fonenana

ANALOGH: Hamoraina ny fananana trano fonenana

ANALOGH: Hamoraina ny fananana trano fonenana
novembre 20
09:52 2020

Tontosa ny alakamisy 19 Novambra 2020, nandritra ny lanonam-panokafana ofisialy ny hetsika ara-barotra goava Salon International de l’Habitat eny amin’ny Forello Tanjombato ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny BNI Madagascar sy ny CNAPS ary ny ANALOGH (Agence Nationale d’Appui au Logement et à l’Habitat). Miompana amin’ny fanatanterahana ny politika ankapobeny mikasitra ny trano fonenana araka izany ny fifanarahan’ny telo tonta. Ao anatin’ny velirano faha-11 nataon’ny fitondram-panjakana rahateo koa ny fampiroboroboana ny trano fonenana sy ny fampandrosoana ny firenena. Amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity, manodidina ny 12.000 ireo mpikambana ao amin’ny CNAPS hisitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato. Ny eo anivon’ny BNI Madagascar kosa no mamatsy vola ary ny ANALOGH no misahana ny asa fanamboarana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930