Madatopinfo

 Flash Info

FASIKA ANKADIMBAHOAKA: Nandamoaka ny fikasana saika handroba mpanao gazety vehivavy am-perinasa iray

FASIKA ANKADIMBAHOAKA: Nandamoaka ny fikasana saika handroba mpanao gazety vehivavy am-perinasa iray

octobre 16
07:30 2021

Mampikaikaika ny tsy fandriampahalemana! Finday avo lenta mirakitra ny tahirim-peo sy sary ary horonantsary nandritra ny fanadihadiana lalina (investigation) ny taona 2020 sy 2021, vola aman’hetsiny, karatra matihanina maha-mpanao gazety, atontan-taratasy sarobidy, ireo no santionany tamin’ny fitaovana tao anaty poketrana mpanao gazety iray am-perinasa saika nisy nandromba an-dalambe ny alakamisy 14 oktobra lasa teo. Teny amin’ny Fasika Ankadimbahoaka tokony ho tamin’ny 6 ora sy 20 minitra hariva no nisehoan’ity tranga ity raha ny tatitry ny lasibatra. Raha ny fitantaran’io mpanao gazety saika voaroba io, efa nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamina tovolahy roa nitsofoka taksibe zotra « F » teo Ankadimbahoaka ny tenany sy ny namany, izany hoe tafaraka fiara tamin’izy ireo. Noho ny tonga teo amin’ny fihodinana teo amin’ny Fasika (Filatex), niala ny taksibe ilay olona niaraka tamin’ity mpanao gazety ity, izy kosa mbola tsy tafala fa nitsangana tao aoriana. Ny fiara moa nandeha namonjy ny fijanonana. Tao anaty segondra vitsy, tovolahy iray nisakana ity mpanao gazety ity tsy hiala eo amin’ny varavarana, tovolahy iray hafa kosa nangarona ny poketrany ary kitapo kely no nanakomany ny fihetsiny izay nikasa haka ireo fitaovana rehetra tao anatiny. Teo am-panaovana ny fikasan-dratsin’ity tovolahy ity no nahatratraran’ilay mpanao gazety ny tanany tao anaty poketra. Tsy nihiaka ity farany, navelany hiala teo amin’ny fijanonana. Ilay naman’ilay vehivavy saika voaroba kosa nanara-maso ny toerana alehan’izy roalahy ireo ka nanaraka azy ireo. Niditra ny taksibe hafa zotra « F » teny ampita indray izy ireo. Efa tafapetraka tao anatin’io fiara io no notenenin’ilay lehilahy naman’ny mpanao gazety ny iray taksibe hoe: » Mitandrema ianareo fa mpanendaka ireo roalahy ireo », sady notereny hivoaka izy roalahy. Nisy polisy maromaro misahana ny famoivoizana rahateo teo an-toerana ka avy hatrany dia namonjy ny sakoroka. Nitondra ilay tovolahy saika handroba fananan’olona hihazo ny Commissariat Tanjombato avy hatrany ny polisy ary niaraka tamin’izy ireo teny ilay mpanao gazety sy ny namany niharan-doza. Ilay tovolahy nisakana teo ambaravaran’ny taksibe kosa tafaporitsaka. Raha vao tonga teny Tanjombato izy ireo dia natao avy hatrany ny fanadihadiana, nanapa-kevitra ny hitory ireto olona tra-pahavoazana. Ny ampitson’io ihany, izany hoe ny zoma 15 oktobra, niakatra Fampanoavana ny raharaha. Taorian’ny fanadihadiana, nanambara ny avy tao amin’ny « parquet » eo anivon’ny Fitsarana Anosy fa miditra am-ponja vonjimaika (Mandat de dépôt) ity tovolahy ity. Araka ny fantatra, ny alakamisy 21 oktobra amin’ny iray ora tolakandro kosa no hotanterahina ao amin’ny varavarana voalohany ao amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy ity raharaha ity. Miandrandra fitsarana araka ny tokony ho izy ireto lasibatra ireto, ny Ministry ny Fitsarana Imbiky Herilaza rahateo koa dia nanamafy ombieny ombieny fa handray andraikitra amin’ireo minia mandika lalàna.

La Rédaction

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930