Madatopinfo

 Flash Info

AKORA GASIK’ARA: Hanome sehatra ny mpanao asa tanana vita amin’ny hoditra

AKORA GASIK’ARA: Hanome sehatra ny mpanao asa tanana vita amin’ny hoditra

AKORA GASIK’ARA: Hanome sehatra ny mpanao asa tanana vita amin’ny hoditra
octobre 06
07:30 2021

Hofampiroboroana ny asa tanana malagasy eto Madagasikara, hisy ny hetsika varotra fampirantiana nampitondraina ny anarana hoe: « Akora gasik’ara » izay karakarain’ny Chez’elles Madagascar. Araka ny nampahafantarina, omaly, teny Andavamamba dia eny amin’ny zaridaina Antaninarenina mandritra ny 3 andro no hanatanterahana ny andiany voalohany amin’ny hetsika, manomboka ny alakamisy 7 oktobra ho avy izao ka hatramin’ny sabotsy 9 oktobra. « Cuir et design » no lohahevitra amin’ity hetsika ity, hisongadina araka izany ny asa tanana vita amin’ny hoditra toy ny fehikibo, ny kiraro, ny fanaka, ny akanjo, ny poketra, ny satroka sy ny maro hafa. Ankoatra ny varotra fampirantiana, hisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra ahitana lohahevitra 3 samy hafa, ny atrikasa, fihaonana amin’ireo mpandraharaha, ny fifaninanana eo amin’ireo mpandray anjara amin’ny hetsika ary ny fanentanana isan-karazany. Azon’ny olon-drehetra tsidihana ity hetsika ara-barotra ity, tsy misy ny vidim-pidirana ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpitsidika. Araka ny fanazavana, tanjona ny hisarika ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka amin’ny alalan’ ny « cuir », eo ihany koa ny fampianarana, fanentanana ary fisintonana ny vahoaka malagasy hanjifa sy hankafia ny vokatra vita amin’ny hoditra tsara kalitao eto Madagasikara. Isan’ny vokatra andrasana mandritra ny « Akora gasik’ara » moa ny fametrahana ny tambazotra ara-barotra eo amin’ireo mpisehatra amin’izany manerana ny Faritra 23, ny fahitana lalam-bola eo amin’ny mpamokatra sy ny mpanao asa tanana ary ireo mpandraharaha. Eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Asa tanana sy ny Hai-tao rahateo ny hetsika. Manentana ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka araka izany ny Chez’elles Madagascar ho tonga maro hamantatra sy hanjifa ny vokatra malagasy mandritra ity hetsika goavana ity.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031