Madatopinfo

 Flash Info

KAOMININA AMBOHIDRAPETO: Miroso ny fanatanterahana ny vinan’asa rehetra

KAOMININA AMBOHIDRAPETO: Miroso ny fanatanterahana ny vinan’asa rehetra

KAOMININA AMBOHIDRAPETO: Miroso ny fanatanterahana ny vinan’asa rehetra
mars 08
19:35 2022

Diabe niala teo amin’ny Lapan’ny tanàna, nitohy tamin’ny fambolena karazan-java-maniry hanatsarana ny endriky ny tanàna tany amin’ny fokontany Ambohidrapeto sy Antsahamasina no nentin’ny Kaominina Ambohidrapeto nakalazana ny Andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy ny talata 8 martsa. Narahina hira sy dihy ary kilalao isan-karazany ny lanonana ary nandraisan’ireo vehivavy rehetra mitàna andraikitra ao anatin’ny kaominina toy ny vehivavy mpiasan’ny kaominina, mpampianatra sy ny avy ao amin’ny ZAP Ambohidrapeto ary ny fikambanam-behivavy ao an-toerana. « Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampisehoana fa maro ny andraikitra sahanin’ny vehivavy ary manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana izy ireo. Vina rahateo ny hamirapiratan’ny kaominina ary tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa ao anatin’ny herintaona », hoy ny Ben’ny tanàna an’Ambohidrapeto, Mihary Andriantsilavo. Ankoatra ny jiro efa manerana ny tanàna sy ny rano, eo am-panamboarana ihany koa ny lalana sy ny lalan-kely, ny tohatra rehetra, ny fanatsarana ny fokontany Antsahamasina izay misy ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena goavana ka hangatahan’ny Ben’ny tanàna amin’ny fitondram-panjakana ny hanovàna ny kianja ho « synthétique ». Ho an’ny kaominina Ambohidrapeto, tena ho taonan’ny asa tokoa ity taona 2022 ity, hahatrarana ireo vina efa nampanantenaina ny vahoaka tamin’ny andron’ny fampielezan-kevitra. Ao anatin’ny fampandrosoana ny kaominina hatrany, manolotra fiofanana ho an’ireo olona tsy an’asa ny fikambanana Manandratra izay eo ambany fitarihan’ny Ben’ny tanàna an’Ambohidrapeto, Mihary Andriantsilavo. Manome angady sy fitaovam-panjonoana ho an’ireo mpiofana izy ireo ary anjaran’ny mpisitraka kosa no mitady ny asa mifandraika amin’izany. Aorian’izay, manara-maso ny fizotry ny asa ireo tompon’andraikitra isan-tokony ary mitondra ny tatitra mankany amin’ny mpiara-miombon’antoka. Misy ihany koa moa ny tetikasa iarahana amin’ny ONG iray amin’ny fanangonana ny fako ao anatin’ny kaominina Ambohidrapeto ary hanodina izany ho lasa antom-pivelomana ka hampihena ny tahan’ny tsy fananana asa ao an-toerana. Havondrona ihany koa ireo tanora tsy an’asa 18 taona ka hatramin’ny 40 taona ary hodinihana avokoa ny antony sy ny olana misy ary hojeren’ny kaominina ireo paikady mifandraika amin’izany.

M.R

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031