FIANAKAVIAMBEN’NY MINAE: Velaran-tany 8 hektara no nambolena zanakazo miisa 3.500

Ho fanatrarana ny vinan’ny fitondram-panjakana izay manamafy hatrany ny hamerenana indray an’i Madagasikara ho Nosy maitso, ho rakotr’ala, nanatanteraka fambolen-kazo ny teo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny zoma 7 Febroary lasa teo izay notarihan’ny Ministra Hajarison François Sergio. Nosafidian’ny MINAE tamin’ity taona 2025 ny Fokontany Soavinimerina, Kaominina ambanivohitra Mahitsy. Hazo fihinam-boa maherin’ny 3.500 tamina velaran-tany 8 hektara no novelana nandritra izany toy ny Acacia, Kininina. « Aorian’izao hetsika fambolen-kazo izao, fanamby lehibe ny hisian’ny fanaraha-maso ataon’ny tompon’andraikitra mba haniry sy ho voakajy ireo hazo novolena ireo« , hoy ny Ministra Hajarison François Sergio.
Nandray anjara tamin’izany ihany koa ny solontenam-panjakana teny an-toerana, ny Lefitry ny Distrikan’Ambohidratrimo, sy ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Mahitsy, Dilo Rakotomanga. Ity farany izay nanamafy fa hiara-hiasa amin ny MINAE amin’ny fikojakojana ity tany vao nambolena zanakazo ity. « Reharehan’ny Kaominina Mahitsy ny fisian’izao hetsika fambolen-kazo izao ary hiara-hientana hatrany amin’ny fitondram-panjakana izahay ny amin’ny fikajiana ny tontolo iainana« , Hoy hatrany ny Ben’ny Tanàna, Dilo Rakotomanga.
Tsiahivina fa: « Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo » no lohahevitra amin’ity taom-pambolen-kazo 2024-2025 ity.
M.R