Madatopinfo

 Flash Info

HARILALA RAMANANTSOA : “Hanohy ny asa maro efa natomboka”, hoy i Marcellin Andrianambinina, Talen’ny Tsena Antananarivo

HARILALA RAMANANTSOA : “Hanohy ny asa maro efa natomboka”, hoy i Marcellin Andrianambinina, Talen’ny Tsena Antananarivo

HARILALA RAMANANTSOA : “Hanohy ny asa maro efa natomboka”, hoy i Marcellin Andrianambinina, Talen’ny Tsena Antananarivo
janvier 20
05:09 2025

Efa nanao vavasa ary hanohy izany ny Ben’ny tanana vao voafidy, teo anivon’ny tanan’Antananarivo, raha ny filazan’ny Marcellin Andrianambinina, mpikambana Tanora miandrandra ny ho avy na TMH, Talen’ny Tsena Antananarivo Renivohitra. “Efa teo amin’ny fitantanana ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo Renivohitra i Harimalala Ramanantsoa, nandritra ny iray volana mahery naha Filohan’ny Delegasiona manokana, talohan’ny ho firotsahany ho mpifaninana ho Ben’ny Tanana Antananarivo Renivohitra, ka hanohy ny ezaka efa natomboka. Maro ny efa fanovana nentiny nandritra izay iray volana mahery izay efa nitondrany ezaka maro. Anisan’ny tamin’izany ary hotohizana ny fijerena manokana an’ambanitanana sy ny tsena.”
Nanohy ny fanambarany nandritra ny tafa manokana ho an’ny mpanao gazetinay ity lehiben’ny Tsena ity sady mpikambana ao amin’ny ny TMH, ny zoma 17 Janoary teo, tao antokotanin’ny Tribonaly Anosy, taorian’ny famoahana ofisialy ny voka-pifidianana ny ho Ben’ny Tanana sy ny Filankevitra ho an’ny Faritanin’Antananarivo. Misaotra an’Andriamanitra sy ny vahoakan’Antananarivo hatrany tamin’ny nahavitan’iny fifidianana ho Ben’ny tanana sy mpanolontsaina iny. Tafapetraka ny Ben’ny Tanana Antananarivo Renivohitra izay mpitantanana vaovao ny Renivohitr’i Madagasikara. Faly miarahaba sy mandray azy izahay fikambanana TMH.
Asa
Manohy ny fampitam-baovaony hatrany ny Talen’ny Tsena Antananarivo Renivohitra, Marcelin Andrianambinina fa miandrandra izay fampandrosoana nataony tamin’ny vanim-potoanan’ny fampielezankevitra Antananarivo. Mino sy matoky fa hitondra rivo-baovao ho an’ny Tanan’Antananarivo izao fahalaniany izao, noho ny nametrahan’ny vahoaka fitokisana azy ka hiroso amin’ny asa amin’izay izy. « Mankasitraka indrindra ho an’ny Fitsarana izay nanatanteraka ny asany tamin’ny endrika tsy mitanila ka nametraka an’i Harilala Ramanantsoa teo amin’ny toerany. » Hoy i Marcellin Andrianambinina, mpikambana TMH, Talen’ny Tsena Antananarivo. Hisy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny tsena sy fandaminana manokana, tahaka fanadiovana ireo mpivarotra anaty lalana, ato ato, raha ny fampitam-baovao hatrany.
Haja Nirina

Articles similaires

février 2025
L M M J V S D
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
2425262728