Madatopinfo

 Flash Info

FAMPIRANTIANA SANGAN’ASA: Haseho amin’ny alalan’ny lamba ny zava-kanto

FAMPIRANTIANA SANGAN’ASA: Haseho amin’ny alalan’ny lamba ny zava-kanto

FAMPIRANTIANA SANGAN’ASA: Haseho amin’ny alalan’ny lamba ny zava-kanto
juillet 10
10:45 2023

Mariky ny kolontsaina malagasy no sady loharanon’ny aingam-panahy maharitra ho an’ny mpanakanto omaly sy anio ny lamba. Mifandran-dalana amin’izany ny fampirantiana izay mitranga eny Hakanto Contemporary, Alhambra Gallery Ankadimbahoaka izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny sabotsy 8 Jolay tamin’ny 3 ora tolakandro izay nampitondraina ny lohateny hoe: « Lamba forever mandrakizay ». Tao anatin’izay taona nitsanganan’ny Hakanto Contemporary izay moa dia fampiratiana fahafito izao hotanterahana izao. Raha tsiahivina, efa nandalo tao ny fampirantiana toa ny: « Eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao », « Beyond all you are mine », « Ny fitiavanay – Our love – Notre amour », « Esprit revue noire » sy ny hafa. Amin’ity kosa, haharitra hatramin’ny tapaky ny volana Novambra ny fampirantiana hampisehoana ny sangan’asana mpanakanto 20: Gab Bensalem, Jean Yves Chen, Tsiriniaina Irimboangy, Charles Edgar Lincoln, Joël Andrianomearisoa, Madame Zo, Nazaria Tooj, Jean Luc Raharimanana, Alphonse Rakotovao, Gaston Rakotovao, Emile Ralambo, Kevin Ramarohetra, A. Ramiandrasoa, Sandra Ramiliarisoa, Ramilijaona, H. Ranaivo, Nadia Randriamarosata, Rasolonjatovo Sanna, Clée Rabeharisoa ary i Charlotte Razafindrakoto. Misokatra maimaim-poana ho an’ny daholo be ao amin’ny Hakanto Contemporary, rihana faharoa ny fampirantiana isaky ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy. « Manomboka anio ary tsy hisy fetra ny firesahana ny lamba izay mampiseho ny lamba rehetra toy ny lamba landy, landihazo na raffia. Miaraka amin’ireo mpanakanto izay mampiseho fihetseham-po sy vontoatiny vaovao ity fampirantiana ity », hoy ny fanazavana nentin’i Joël Andrianomearisoa, mpanakanto sady Tale artistika eo anivon’ny Hakanto Contemporary. Ny Hakanto Contemporary moa dia Ivontoerana manandratra ny zava-kanto amin’ny vanim-potoana ankehitriny, tohanan’ny Fonds Yavarhoussen izay tarihan’ny Tale Jeneralin’ny Groupe Filatex eto Madagasikara, Hasnaine Yavarhoussen.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930