Madatopinfo

 Flash Info

ANTSO FIARAHAMONINA KRISTIANA : Hametraka paikady goavana amin’ny fitantanana lavitry ny kolikoly

ANTSO FIARAHAMONINA KRISTIANA : Hametraka paikady goavana amin’ny fitantanana lavitry ny kolikoly

ANTSO FIARAHAMONINA KRISTIANA : Hametraka paikady goavana amin’ny fitantanana lavitry ny kolikoly
mars 09
16:48 2023

Apinga mankany amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fisian’ny « tsara tantana ». Ho an’ny Antso Fiarahamonina Kristiana na AFK, manana « logiciel » goavana ahafahana mitantana ny sehatra rehetra moderna izay mila hapetraka eto amin’ny firenena ny fikambanana, voafehy ao anatin’izany ny fitantanan-draharaham-panjakana. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa izay nandraisan’ireo mpikatroka eo anivon’ny AFK anjara ny alarobia 8 martsa teny Isoraka. Nodinihana manokana ny fomba fiasa hanatsarana ny fanabeazana tamin’ny alalan’ny latabatra boribory ary hametraka lasi-pisainana.
« Mampiavaka ity rafitra ity dia noho izy miorina amina andry fototra 7. Mila mifanome tanana ny tsirairay hahafahana manatanteraka izany ary ihany koa mila finiavana », hoy ny Filoha mpanorina ny Antso Fiarahamonina Kristiana, Ricky Andriamparany. Tanjon’ny AFK araka izany ny hisian’ny fifanohanana ara-toekarena, eo ihany koa ny fihavanana miralenta sy ny fiovana ara-pomba fisainana eo amin’ny fitantanana amin’ny ankapobeny. Ankoatra izay, voalaza fa hisy ny fampiharana eny anivon’ny ambaratongam-pahefana samy hafa hahafahana mametraka ity « logiciel » ity.
« Rehefa tafapetraka manerana ny Nosy io, sarotra ny hisian’ny fahasarotana amin’ny olana amin’ny listri-pifidianana ary ho tsara tantana avokoa ny eny anivon’ny sampan-draharaha rehetra. Ho foana tsikelikely ihany koa ny kolikoly satria voarakitra ao avokoa ny antontan-kevitra, ny tatitra isan-karazany, ny vola mivoaka sy miditra ary ny fandaniana », hoy hatrany ny fanazavana.
Nanambara moa ny AFK fa tsy voatery hiankina amin’ny mpamatsy vola avy any ivelany ny fampiharana izany fa tokony omen-danja ny manam-pahaizana malagasy. Nohamafisiny fa tsy antoko politika ny AFK fa kosa tsy manakatom-baravarana ho an’ireo vonona ny hifanolo-tanana aminy.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930